Voka-pifidianana: mety hivadika sazy ho an’ny kandidà miseho ho tsy maty manota

Andry Tsiavalona

Enina andro taorian’ny fifidianana ho filoham-pirenena dia misafotofoto ny toe-draharaham-pirenena ka ahiana hiteraka tsy filaminana eo amin’ny sehatra politika izay hisy fiantraikany eo amin’ny fiainam-bahoaka indray.

Tamin’ny fotoana nandaniana ny lalàna mifehy ny fifidianana dia efa nanomboka ny gidragidra izay niteraka ny hetsiky ny depiote 73. Nilamina ho azy teo ny hetsika rehefa tafiditra tao anaty governemanta ny sasantsasany tamin’izy ireo. Mazava ho azy fa nizotra tany amin’ny tombontsoan’ny MAPAR ny toe-javatra, ka hita mibaribary izany amin’izao fotoana izao satria ry zareo no misiotsioka fandresena na tsy mbola tafavoaky ny ala akory aza. Nisy ny tsy fahatomombanana teo amin’ny fanomanana ny fifidianana indrindra teo amin’ny lisitra izay nahitàna « doublon » araka ny fomba fitenenana, nisy ny maty mbola tafiditra, misy velona soa aman-tsara kanefa na tsy voasoratra ny anarany na tsy nahazo karatra ary nisy ireo nanana karatra maromaro. Tamin’ny toerana sasany dia toa nisy lisitra niniana norovitina mihitsy ny pejy sasany ka tsy fantatra mazava izay nanao izany. Na izany na tsy izany dia misy koa ny olompirenena tsy nandray andraikitra ka tsy rototra tamin’ny fanamarinana ny anarany na ao anaty lisitra na tsia kanefa rehefa tonga ny fotoana nangalàna ny karatra vao nimenomenona hoe noverezin-jo. Teo izany lesoka izany nialohan’ny fifidianana kanefa manampy trotraka ny tsy fahatokisan’ny vahoaka ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI) indray koa ny fitarazohan’ny famoahany ny vokatra sady mandeha be ny resaka fa nomen-dRajoelina Andry volabe ity andrim-panjakana ity. Tsapa ihany koa etsy ankilany fa toa ny vokatra avy any amin’ireo faritra nahazoan’ny kandidà laharana faha-13 vato betsaka no avoakany izay mitongilana amin’ny vokatra avoakan’ny haino aman-jery manohana ity kandidà ity. Nilaza ho manana porofo amin’ny fisian’ny hosoka ihany koa ny HVM satria toa nampitolagaga tokoa ny vokatra azon’ny kandidà laharana faha-12 raha ny olona teo amin’ny fitondrana no ambany dia ambany toy ireny ny vato azony. Tsy mandatsa raha milaza fa ny kandidà laharana faha-33 nifaninana taminy ny taona 2013 dia nanambara koa tamin’izany fa nisy ny « hala-bato bevata » no nataon’ny HVM ka naha-lany azy ho filohan’ny Repoblika IV. Azo antoka fa misy tokoa ny hosoka na dia mandà mafy aza ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana. Sarotra ny hamoaka porofo tamin’ny fandraisan’ity andrim-panjakana ity vola kanefa efa nahazatra ny mpitondra ny Repoblika IV loatra ny fitenenana hoe « porofoy » fa nisy izao na izatsy kanefa nivoaka ihany ny marina toy ny raharaha Anjozorobe.

Mahagaga ihany koa fa toa ny kandidà laharana faha-13 sy ny mpiaradia aminy ihany no tsy nahenoana fanakianana momba ny fikarakaran sy ny fizotr’iny fifidianana tamin’ny 7 Novambra iny. Ny harivan’io andro io raha mbola teo am-panisana vato aza ny biraom-pifidianana sasany dia efa nanambara ny onjampeo sasany fa mandresy ny kandidà laharana faha-13 ary efa nanao fety be sahady. Voizina indray fa ho lany amin’izao fihodinana voalohany izao indray ny kandidà laharana faha-13 ary raha ny vokatra avoakan’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana dia mitarika tokoa izy kanefa amin’ny salanisa manodidina ny 40% eo. Raha ny vokatra azon’ny ao amin’ny foiben’ny kandidà laharana faha-25 kosa dia mitarika lavitra izy amin’ireo Faritra be mpifidy toa ny ao Vakinankaratra, Itasy, Bongolava, sns…

Raha tany tan-dalàna tokoa ity Nosy ity dia tsy maintsy mitaky porofo amin’ny Vondrona Erôpeana ihany koa amin’ny fanambarany fa namafy volabe ny kandidà Rajoelina Andry tamin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana sy ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, ka hanasazy azy araka ny lalàna raha marina ny fanambarana. Tsy hiteniteny foana anefa ny Vondrona iraisam-pirenena ka ho fantatra miandalana eo ihany izany ary tsy tokony ho ela anefa.