EDITO 13 Novambra – Fikarakarana fifidianana – Sazio izay tomponandraikitra nahatonga ny lesoka

Sôh’son

Anisan’ny itodihan’ny maro amin’izao fotoana izao rehefa nahita ireo lesoka maro samihafa, indrindra teo amin’ny lisipifidianana sy ny karatry ny mpifidy, ny amin’ny fiheverana ny amin’ny tokony hisian’ny sazy ho an’izay tompon’andraikitra rehetra nikarakara iny fifidianana filohampirenena fihodinana voalohany iny. Tsy afamiala voalohany amin’izay mazava loatra ny vaomierampirenena mahaleotena misahana ny fifidiananana ny Ceni.

Efa am-bolana maro no nanomanany izao fifidianana izao ary izy irery no vovonana iadian’ny lohany amin’izany eto amin’ny firenena. Tsy vao izao koa anefa no nikarakarany fifidianana fa nisy ny teo aloha hatrany amin’ny taona 2010 nandanian’ireo olom-bitsy ny lalampanorenana sy ny nidirana tamin’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny taona 2013.

Efa niaraha-nahita sy nahalala tsara ireo lesoka tamin’ireny fifidianana samihafa ireny  ary tokony ho hay ny misoroka izany mba tsy hiverenany intsonyaty aoriana, kanefa toa mbola ny teo ihany no teo. Tsy hita soritra mazava izay fanatsarana tamin’ireo tranga ireo. Tsy efa fahadisoana eo amin’ny asa ve izany? Raharaham-pirenenaanefa ity ary zava-dehibe iankinan’ny ho avin’ny firenena tanteraka. Miankina amin’ny fahatomombanan’ny fanatanterahanany fifidianana no hampilamina sy hampirindrany fampandrosoana ny firenena, ka tsy tokony hatao kitoatoa na tsy ampy fitandremana toy izao mitranga ankehitriny izao. Raha tany amina orinasa tsy miankina no isiana toe-javatra tahaka izao moa tsy efa nandray fepetrahentitra ny tompon’ny orinasa?

Fantatra fa nahazo famatsiam-bola tsy hita pesimpesenina ny teo anivon’ny Ceni ikarakarany ny fifidianana. Nisy mihitsy aza ny famaritana ny volabe ilainy ahafahany manatanteraka azy ary dia feno izany volabe izany tamin’ny alalan’ireo firenen-tsamihafa avy any ivelany. Fantatra ihany koa fa tena tsara karama sy mandray volabe ireo mpiasa raikitra ao aminy satria heverina fa izany no hahavitany tsara sy ara-dalàna ny vahoaka Malagasy azy. Mandiso fanantenana ihany anefa ny vokatra hita. Tsy lavina, ho tanteraka ny fanangonam-bato sy ny fikirakirana izany ary ny famoahana vokatra hataon’ny Ceni, fa ny lesoka nitranga kosa izay tena misy akony amin’ireo mpifidy sy ny fifidianana ary ny voka-pifidianana tsy ho voafafa.

Koa raha miverina amin’ny hevitry ny maro ny amin’izay tokony ho saziana dia anisan’ny iray amin’izany ny eo anivon’ny Ceni. Misy mihitsy aza ny milaza fa tokony hamerim-bola ny Ceni. Fiheverana mampieritreritra fatratra izany. Tsy tokony ho afa-maina koa anefa izay tompon’andraikitra hafa nahatonga izany lesoka izany. Tsy tokony ho ekena intsony mihitsy ny fanaovana fahadisoana amin’ny fikarakarana fifidianana fa tsy mahasoa ny firenena velively.  Tsy mendrika an’izany intsony i Madagasikara.