19:00 > QG KMMR – Fanambarana amin’ny mpanao gazety – Misy kolikoly miketrika ao amin’ny CENI sy TVM

Roa andro aty aorian’ny fifidianana dia 6%n’ny vokatra no tafavoakan’ny CENI. Ny an’ny ivotoeran’ny KMMR  nefa efa mhatratra 13000 mahery. Ireo tarehimarika ireo dia efa mampanontani-tena ny tomponandraikitry mpiara-miasa amin’ny candida Ravalomanana Mar. Nahoana no rafitra toa an’ny KMMR mahavita lavitra noho ny mmikarakara ny fifidianana? Indrindra fa taorian’ny resaka niparitaka teny amin’ny tambazotran-tserasera dia nisy fihetsika izay toa nanamafy izany ahiahy efa miparitaka izany. Tsotra ny antso avo ataon’ny mpiara-miasa amin’ny kandida laharana 25 : efa tsy betsaka no tsy nankatoa ny fikarakarana ny fifidianana, betsaka koa ny resaka kolikoly heno etsy sy eroa, koa aoka ny CENI mba tsy halaim-panahy amina tombontsoa mitarika mankany amin’ny fanodikodinana ny safidim-bahoaka satria aim-pirenena ity fifidianana ity.

Fitsidihana mangarahara ny Salle Informatique ao amin’ny QG KMMR