15:30 > QG KMMR – Fanambarana – Tale Analamanga – Kolonely Faustin Andriambahoaka

Mandiso ny vaovao navoakan’ireo fahitalavitra zatra mpanely vaovao diso, i Kolonely Faustin Andriambahoaka.

Nanamafy ny talen’ny fampielezan-kevitra Analamangan’ny kandidà laharana faha-25 Marc Ravalomanana dia ny kolonely Faustin Andriambahoaka, fa diso ny voka-pifidianana tao amin’ny boriboritany faha -5, navoakan’ny haino aman-jery tsy miankina iray omaly hariva. Mety hampisavorovoro saimbahoaka izany ka ilaina hatrany ny fandanjalanjana sy fanaporofoana ary ny tsy fitongilanana manoloana ny famoahana ny voka-pifidianana toa ireny hoy izy, nandritra ny tafa nataony teny Bel’Air omaly. Raha ny nambarany hatrany dia harifomba ny fitaovana anangonana ny vokatra ao amin’ny QG KMMR Bel’air Ampandrana, ny CENI sy ny HCC ihany no aoka ho tompon’ny teny farany amin’ny safidimbahoaka. Nanentana ny vahoaka ho tony sy hiandry ny vokatra feno havoaky ny HCC ny KMMR, izay nosoloin’ny talen’ny fampielezan-kevitra Analamanga tena.