Antananarivo sy ny manodidina – Mitarika ny kandidà Marc Ravalomanana

Sôh’son

Raha ny vokatra vonjy maika sy tsy ofisialy voalohany omaly dia mitarika vonjy maika ny kandidà filoha Marc Ravalomanana eto Antananarivo sy ny manodidina, izany amin’ny faritra Analamanga mihitsy. Raha izay vokatra azo izay dia azo lazaina ho mitarika lavitra ihany ny kandidà laharana faha-25.

Ankoatra izany, nizotra tam-pilaminana ny fotoam-pifidianana teto amin’ny firenena tamin’ny ankapobeny omaly. Na dia teo aza ireo olana amin’ny endrika samihafa tetsy sy teroa, tamin’ny faritra maro samihafa, dia tsy sakana tamin’ny fahatanterahan’ny fifidianana ho filoham-pirenena fihodinana voalohany izao izany. Mendri-piderana araka izany ny vahoaka Malagasy amin’izay ary tsy mena-mitaha amin’ny hafa izy. Tsy afaka hidera tena sy hieboebo ho antony nahatonga izany anefa ny tompon’andraiki-panjakana, fa tsy vitany irery izany. Tsy lavina, teo ny fepetra sy lalàna samihafa nifehezana izany hampizotra ara-dalàna ny raharaha, fa tsy azo odian-tsy hita ny fihetsiky ny vahoaka. Ny vahoaka no antoky ny fahombiazana amin’izao fahatanterahan’ny fifidianana izao ary miha-miroso hatrany mankany amin’ny fahamatorana amin’ny raharaha ara-politika eto amin’ny firenena izy. Manaporofo izay ny fahafantaran’ireo kandidà sasany fa tsy hofidiam-bahoaka na ny besinimaro mihitsy izy, ary manana ny heviny ny vahoaka amin’izay olona hotolorany ny fahefana ka naleon’izy ireny nanao tsy sazoka fampielezan-kevitra  ihany na niova hevitra hafa mihitsy mba tsy ilazana ho niàla an-daharana. Tsy mbola mipetraka rahateo ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny fitondrana, izay olana lehibe iray tsy maintsy hovahana io fa tsy azo avela fotsiny amin’izao, satria hanohy hanapotika hatrany ny firenena. Ka ny fitondrana izany nanao izay heveriny ho tandrifiny azy amin’ny andraikitra napetraka taminy, fa ny vahoaka ihany koa etsy ankilan’izany nanao izay heveriny mba takany hahatontosa izany adidy masina lehibe izany. Midika izany fa misy zava-dehibe andrasan’ny vahoaka aorian’izao fifidianana izao. Tsy adala akory ny vahoaka tamin’ireo fepetra samihafa nanahirana ny saina ihany ny nandray azy na avy amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC) na avy amin’ny Ceni sy izay tomponandraikitra samihafa mandrapahatonga tamin’izao fahatanterahan’ny fifidianana izao.

Fantatry ny vahoaka ny madilana rehetra tsy notenenina teo am-panomanana sy fiatrehana azy fa navelany nandeha izany satria misy andrasany fatratra, ary dia miandry izy izao sady feno fanantenana. Ametrahany fanantenana ny filoha Marc Ravalomanana. Ho an’i Dada manokana, nanambara izy tamin’ny televiziona satelita eran-tany Aljazeera teny Faravohitra fa matoky: “I’m confident…”