14:00 > Fifidianana – Ahiana ny hisian’ny hala-bato be vata any Atsimo

Ahiana ny hisian’ny hala-bato be vata any Atsimon’ny Nosy iny tamin’iny fifidianana vita omaly teto amintsika iny.

Ohatra iray monja ny ao akaikin’Ambovombe Androy ao. Birao fandatsaham-bato nahitana mpifidy voasoratra anarana 80 hatramin’izay, lasa 150 no mifidy ao amin’izao fotoana. Io elanelan’isa 70 fanampiny io no loharanon’ny hosoka. Avadika ho “entam-barotra” sandaina vola ireo vato ireo. Mazàna dia vita ny tapak’andron’ny latsabato ary dia manaraka ny ambiny avy eo.

Ny olona anefa tsy dia mivaky loha manara-maso izay mitranga ao amin’ny birao fandatsaham-bato ao ary dia manao izay danin’ny kibony ry “zalahy”. Raha ny tarehimarika fantatra dia anisan’ny nahitana taham-pitomboan’ny mpifidy be indrindra ny any Atsimo: any Atsimo Andrefana no avo indrindra ny isan’ny birao fandatsaham-bato eran’i Madagasikara. Zara raha misy mpanara-maso anefa any an-toerana mba tsy ilazana fa tsy misy.

Ry kandidà isany, jereo sy araho akaiky ny latsabato any Atsimo. Miantefa amin’ireo rafitra isan-tsokajiny ihany koa nyantso dia ny CENI, HCC, ny Bianco, ny Samifin, ny Rohy, ny Fandio, ny Safidy, ny MOEUE 2018 na mpanara-maso avy amin’ny Vondrona Eoropeana, ny SOEM, ny PNUD na ny avy amin’ny Firenena Mikambana.