13:30 > Fampitam-baovao avy any ivelany – Nanely tsaho ny radio Frantsay RFI

Mahavariana ary mampieritreritra ihany ny fampitam-baovao nataon’ny solontenan’ny onjam-peo Frantsay RFI eto amintsika amin’izao fotoana izao, raha ny re tamin’ny 10 ora maraina amin’ny ora eto an-toerana omaly nandritra ny fotoam-pifidianana.

Nambarany mantsy fa mirona mifidy ny kandidà volomboasary ny maro amin’ny mpifidy tamin’io ora io (!?!).

Mbola vao amin’ny 10 ora maraina io, ary tsy fantatra ny toerana nahitany izany ary inoana marimarina fa tsy nanome fironana ankapobeny amin’ny kandidà safidian’ny mpifidy tamin’io ora io mihitsy ny teo anivon’ny CENI. Misy tiana ahatongavana ve izany fampitam-baovao izany? Vaovao izay tsy marina akory?

Manana ny toerany eo amin’ny serasrta iraisam-pirenena ity onjam-peo iray avy any Frantsa ity, ary ny olona ampiasaina mpampita vaovao, heverina fa manana ny maha-izy azy.

Hafahafa ihany anefa ity fampitam-baovao ity. Soa aloha fa nisy faharatsiany ny fifandraisany tamin’ny mpanolotra ny vaovao tany amin’ny foibeny ary dia tsy maintsy notapahina izany.
Ny taorian’izay aloha tsy fantatra intsony na noezahina nahitsy ny vaovao satria tsy maintsy narahana akaiky koa ny fampitam-baovao tamin’ny onjam-peo teto an-toerana.

Ny CENI rahateo dia tsy nanome alalana na iza na iza hanao tsapan-kevitra na sondage mandritra ny fotoana nifidianana, k any fehiny dia tena nanely tsaho ny RFI omaly tamin’ny 10 ora maraina iny.

Radafy