7 Novambra 2018: hanova ny tantaran’i Madagasikara

Andry Tsiavalona

Ho tadidin’ny taranaka sy ho voarakitra ao amin’ny tantaram-pirenena ny datin’ny fifidianana ho filoham-pirenena tamin’ity taona ity satria tsy mbola nisy toa azy ireo fifidianana hatramin’izay niverenan’ny fahaleovantena izay no tsiahivina.

Enina ambitelopolo (36) ny kandidà ka nisy ireo efa praiminisitra, minisitra ary lehiben’ny andrim-panjakana, filohan’ny Antenimierandoholona sy ny filohan’ny Antenimieram-pirenena. Tsy adino ny filoham-pirenena roalahy sy ny filohan’ny tetezamita. Misy mpitsara sy mpisolovava,  profesora sy dokotera, mpahay toekarena sy mpahay fiaraha-monina, ka raha fintinina dia olona avy ao anatin’ny ambaratongam-piarahamonina rehetra.

Mbola mampiavaka ity fifidianana  ity ihany koa ny fanakianany ny lisitry ny mpifidy ka nangatahany ny hanokafana izany indray na dia efa tsy eken’ny lalàna mifehy ny fifidianana aza izany. Iaraha-mahalala fa niisa 25/36 izy ireo, nisy ny nanohy ny fampielezan-kevitra ihany ary nisy ny nanambara fa hanohana kandidà iray hafa kanefa azo inoana fa tsy maintsy hahazo vato ihany na izany aza satria aleon’ny mpanohana azy mandrotsaka ny vatony ho azy ihany toy izay ho an’olon-kafa.

Ny fanaovana fampielezan-kevitra dia samy nanana ny fomba nitondrany izany ka vitsy ireo nanao fitetezam-paritra ary na izay nanao izany aza dia nisy ny nionona tamin’ny fihaonana tamin’ny mponina an-tanàn-dehibe fotsiny ary iray monja no nahatety tanàna manodidina ny fitopolo ambizato (170): renivohim-paritany, distrika, faritra, kaominina ary hatramin’ny fokontany aza dia ny kandidà Marc Ravalomanana.

Anisan’ny nampiavaka ity fifidianana ity ihany koa ny fahasahian’ny kandidà iray sahy nampiaraka tamin’ny antontan-taratasim-pirotsahany ho kandidà ny taratasy fametraham-pialany avy hatrany iray volana aorian’ny fahalaniany, raha lany izy, raha tsy midina ny vidin’ny solika, miakatra ny sandam-bola ariary, sns…

Ho an’ireo efa filoha nitantana ity Firenena ity dia nisy ireo mampanantena volana aman-kintana ny vahoaka Malagasy ka ny iray dia nanome toky fa hampandroso ireo tanàn-dehibe sasany eto amin’ity Nosy ity hitovy amin’ireo tanàna manan-daza any Etazonia sy Erôpa ary Azia kanefa dimy taona fotsiny izy no teo amin’ny fitondràna dia niha-nahantra fadiranovana ny gasy ary nikorosy fahana ny toekarena, tsy iza izany fa ny filohan’ny mpanongam-panjakana Andry Rajoelina. Ny faharoa kosa nandefa « clip » nampiseho fa afaka roambinifolo taona, izany hoe ny taona 2030, dia lamasinina (train) zotra laharana 12 mifamezivezy eran’ny tanàna sy ny làlana migodàna (autoroute)  no hisolo toerana ireo làlana tery amin’izao fotoana kanefa tsy fantatra na eto an-drenivohitra ihany na hatrany amin’ny tanàn-dehibe hafa koa, tsara ho marihana fa ny làlan’ny frankofonia aza efa tamin’ny 2016, mbola teo amin’ny fitondrana izy no namboarina kanefa vao andro vitsivitsy izay no notokanana tamin’ny fomba ofisialy.

Tsy hadino koa ny iray izay nahatsiaro ny fampandrosoana nataony teto amin’ny Firenena kanefa dia rava sy potika tao anatin’ny sivy taona ka ireo toe-javatra ireo sy ny fifanakalozan-kevitra tamin’ny olom-pirenena isan-tokony no nentiny nandrafitra ny programan’asany hanarenana indray ny Firenena. Naharesy lahatra olompirenana maro iny programan’asa iny ka nandrisika azy ireo nirohotra nandatsa-bato, ho an’ity kandidà efa filoham-pirenena sady nanana traikefa teo amin’ny sehatra rehetra ity, omaly Alarobia 7 Novambra 2018 dia ny kandidà Marc Ravalomanana izany. Tsy nampihemotra ny maro ihany koa ilay taratasy sandoka nentina nandotoana ny kandidà Ravalomanana Marc satria , mazava ho azy, fa tsy ny olona efa nisikim-ponitra sy tsy nitandro hasasarana nihaona sy nitafa tamin’ny vahoaka Malagasy tany amin’ny tanàna maro indray no nanohitra ny fifidianana sy niantso ny olona tsy hifidy.

Tsapa avy amin’ireny fa tsy kely làlana tokoa ny ratsy ary ny devoly dia tsy manan-draharaha hafa-tsy ny mamboly fisalasalana ao an-tsain’ny olombelona ka maniraka ny miaramilany hamafy izany, indrindra ao amin’ny tanàna hitany sy azony antoka fa ho resy amin’ny elanelam-bato be dia be ny mpanompony. Tsy ho tsarain’ny tantara izay tia ny tanindrazany satria anisan’ny nanao ny tantara izy tamin’ny safidy nataony ho fanavotana ny Fireneny.