Erikerika Madagasikara – Fidio laharana-25, Marc Ravalomanana

Efa resy lahatra hatry ny ela amin’ny kandida Marc Ravalomanana, laharana-25, ny fikambanana Erikerika Madagasikara. Mivohy izany faharesehan-dahatra izany hatrany ity fikambanana ity amin’ny alalan’ny fiarahany miasa amin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao. Mividy gazety 100 isaky ny manatonta ny fikambanana ho zaraina maimaim-poana eny amin’ny faritra samihafa.

Nandritra ny fandalovan’ny mpikambana ramatoa Rafidison Noro teto an-tanindrazana amin’izao fotoana fampielezan-kevitra izao dia nitondra ny anjara birikiny ny fikambanana, vola mitentina 600.000 arirary no natalony nandritra ny fihaonany tamin’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana.

Nandray anjara tamin’ny fampielezan-kevitra manokana koa izy. Nividy tee-shirts 150 ary nisitraka izany ny tao Andoharanofotsy, Malaho, Ambohijanaka ary hisy koa ny ho tonga any Ilakaka.Amin’izao kihon-dalana lalovan’ny firenenan izao amin’ny Alarobia 7 Novambra dia mananentana ny rehetra ny fikambanana: “Fidio Marc Ravalomanana, laharana faha-25, mpanangana fa tsy mpandrava!”