Andro sisa isaina, ho Filoha Dada N°25 – Tonga ny fotoana nandrasana nandritra ny 9 taona

Helisoa

Efa  tokony ho lasa lavitra i Madagasikara raha tsy nisy ny fanonganam-panjakàna notarihan’i Andry Rajoelina sy ny forongony ny taona 2009. Maro no latsa-dranomaso rehefa niala tsy fidiny teo amin’ny toerana maha- filohampirenena azy ny filoha Marc Ravalomanana, ka nahatonga azy sy fianakaviany nanao sesitany ny tenany nandritra 5 taona mahery tany Afrika atsimo. Potika ny firenena, kila hotohoto ilay efa natsangan’ny filoha Marc Ravalomanana nandritra ny 7 TAONA nitondràny. Rava ilay fanantenana teo amin’ny vahoaka Malagasy efa niandrandra fiainana mamirapiratra noho ny fanapotehana nataon-dRajoelina.

Ankehitriny, tonga ity ilay fotoana efa nandrasana, nitoloman’ny vahoaka Malagasy nandritra ny taona maro hamerenana ny filoha Marc Ravalomanana eo amin’ny fitondràna hanarina sy hanangana ny firenena indray. Maro ny fijaliana nihàtra tamin’i Dada sy ny mpomba azy: teo ny fanagadràna, sy fangejana maro samihafa sns… nefa mbola mijoro hatrany izy ankehitriny.

Noho izany, kihon-dalana hisian’ny fanantenana eo amin’ny vahoaka Malagasy ny fifidianana ny 7 NOVAMBRA ho avy izao; koa alao hery ary fa ho lany Dada a! Ho Filoha i Dada, andro sisa isaina, tonga tokoa ilay fotoana nandrasana efa ho 9 taona izao.

Time is now!