EDITO 3 Novambra – Tsy hanaiky hitelin-kanina tsy fanta-pototra mazava ny vahoaka Malagasy

Sôh’son

Efa hita fa tsy mety izao dia mbola terena ho mety fotsiny izao ary iniana ikimpiana ny fanaovana azy. Toe-tsaina iray hita teo anivon’ny fiaraha-monina io ary niteraka fahasimbana na fahavoazana ary anisany nanapotika ny firenena. Niaraha-nahita ny fomba fiasan’ny fitondrana tetezamita nandritra ny efa-taona mahery. Samy nahalala ny maro, no sady nampahafantarin’izy tomponandraikitra rahateo tao anatin’izany, fa tsy nisy mpamatsy vola ny fitondrana tetezamita kanefa mbola afaka nahavita asa na fotodrafitr’asa samihafa ihany. Tsy mazava izany, satria tsy afa-mihetsika sy tsy afa-manao asa vaventy mihitsy ny fitondrana raha tsy misy ny famatsiam-bola avy any ivelany. Voalaza fa nisy volabe tsy toko tsy forohana nampiasaina tamin’izany fotoana izany ary tena nikirakira volabe tokoa ny fitondrana tetezamita. Vola avy aiza anefa izany? Vola vahiny be no tafiditry ny fitondrana Marc Ravalomanana tamin’izany ary voatahiry tao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara, io no nataon’ireo mpanongam-panjakana notarihan’i Andry Rajoelina ho tantely afa-drakotra tamin’izany. Tsy nisy ny mangarahara teo amin’ny fitantanana ny firenena, fa olom-bitsy no nikononkonona samirery araka ny nahim-pony tamin’izay nanaovana ny harem-pirenena. Nanao ny danin’ny kibony nigalabona tamin’ny harem-be tsy fanta-bahoaka ny fiaviany, ary tian-kano tsy tian-kano no nanaovana ny vahoaka tamin’ny fanaovana ireo lazaina ho asan-tanany na dia tsy filàna maika teo amin’ny fiainana andavanandrony aza izany. Iaraha-mahita toy ny vay an-kandrina anefa ankehitriny fa nikorosy hatrany ny firenena nandritra ny fotoanan’ny tetezamita ary nisoka lalina tany amin’ny fahantrana ny vahoaka. Nambaran-dRajaonarimampianina mazava tsara izany, fa firenena potika no noraisiny. Samy izy tomponandraikitra tao anatin’ny tetezamita ihany anefa izany fa tsy olon-kafa tsy mitovy hevitra aminy. Marobe ireo teboka tsy nazava tamin’ny andron-dRajoelina ary mampiahiahy tanteraka.

Ao anatin’izao fampielezan-kevitra izao, miseho ho hahavita ny fanarenana ny firenena nopotehiny nandritra ny nitondran’izy ireo. Maro ireo fampanantenana volana ataony. Ho roboka ve ny vahoaka? Hinia hikimpy na dia hita izao aza fa tsy mety? Hanaiky hitelin-javatra tsy fanta-pototra mazava nokotrehina sy nentina avy tany ivelany tany ve ny vahoaka Malagasy? Hihinan-kanina ao anaty maizina? Ataovy sanatria…