Laharam-pahamehan’i DadaRavalo N°25 – Fanasitranana ny maharary amin’ny vahoaka Malagasy

Andry Tsiavalona  

Nanomboka tamin’ny faran’ny herinandro teo dia mamerina ny habibiany indray ny andian’ olona nandroba sy namotika fananan’olona tamin’ny taona 2009. Ny olona manao ny “tee- shirt” misy ny sarin’ny kandidà laharana faha-25, mandeha irery no tena lasibatra eto an-drenivohitra. Amin’izao fotoana izao dia ireo mpanafika ireo indray no mandefa somaiso milaza fa hetraketrahan’ny olona ka tonga amin’ilay fitenenana hoe manetsik’heloka. Tokony ho fantatr’ireny olona ireny fa tsy ny fanambatambazana olona amin’ny patsa indraim-bava sy ny fampitahorana ary ny fidarohana no hitiavan’ny olona izay kandidà naniraka satria izany fihetsika izany dia mamerina ao an-tsaina avy hatrany ny loza naterak’ireny fahotàna mahafaty nataon’ireny irak’i satana ireny. Raha izao no mitohy dia manomboka mamporisika ankolafin’olona hankahala ny kandidà laharahana faha-25, Ravalomanana Marc ka hamerina indray ny zava-doza nataony tamin’ny taona 2009 ny kandidà ho filoham-pirenena nanongam-panjakana tamin’izany. Raha ireny kabary atao etsy sy eroa ireny no ao anatin’ ilay IEM dia afaka zato taona, raha kely indrindra, vao hitovy amin’ny tanànan’i Miami any Floride, Etazonia i Toamasina. Efa dimampolo sy roanjato taona no nijoro izany Etazonia izany, izay vao toy izao ahitana azy izao ny tanànan’i Miami. Tamin’ny fotoana nitondran-dRavalomanana Marc no efa nisy ny tetikasa nanorenana tanàna vaovao, anisan’izany ny “Grand Tanà” sy ny atrik’asa natao tany amin’ireo tanàna renivohitry ny faritany enina momba ny “PUDI” (Plan d’Urbanisme Directeur Integré). Ka toa manao kopia amin’izay zavatra rehetra ataon’ny kandidà Ravalomanana Marc ny kandidà mpitarika ny revolisiona lokon-doranjy.

Etsy ankilany koa dia mbola mampisotro ronono an-tavy ny vahoaka ihany koa ity kandidà ity izay milaza fa manolotena hampandroso ny firenena, hono, izy. Efa tamin’ny taona 2009 izy no nampanantena fiainana mora ho an’ny Malagasy kanefa fahantrana mihoa-pampana no iainan’ny vahoaka sivy taona aty aoriana ary izy kosa nanorina trano tsy misy toa azy any ivelany any. Heverina fa nofinofy tsy ho tanteraka na ho zato taona aza ny manantena ho filoha tanora indrindra aty Afrika ary heverina fa izany no mahatonga ny fiverenan’ny herisetra amin’izao fotoana izao indray. Mirongatra izay tsy izy koa ny doro-tanety tato ho ato, ka anisan’ny tetikasan’ny kandidà Ravalomanana Marc ny fiarovana ny tontolo iainana. Miteraka fialonana ny “Manifesto”-n’i Dada satria tsy ny fananganana trano mijoalajoala izay tsy ho azon’ny olona rehetra honenana akory no laharam-pamehana ho azy fa ny fanasitranana izay maharary ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao dia ny fanafoanana ny fahantrana, famerenana ny fahalemana, fanatsarana ny fahasalamana, sns…