Serge Zafimahova – Ireo antony anohanany an’i Dada N°25

Isambilo

Vahiny tao amin’ny fandaharana manokana tamin’ny televiziona MBS ny faran’ny herinandro teo, ny mpandrindra ankapobeny ny fampielezan-kevitry ny kandidà Marc Ravalomanana N°25. Nambarany tamin’izany fa : « zava-dehibe mahatonga anay hanohana ny filoha Marc Ravalomanana: ny filoha Ravalomanana dia manana fanetren-tena nanaiky fa misy ny zavatra vitany, fa misy koa zavatra tsy vitany ary mety misy zavatra koa mety nibolisatra, ka mety nandratra olona: manaiky an’izay ny filoha Marc Ravalomanana. Izay fanetren-tena ananany izay anefa dia nahavitàny auto-critique, ka aminay ny dikan’izay dia olona efa mandroso izy, ny filoha Ravalomanana koa dia nanana recul tsara fony izy tany Afrika Atsimo », hoy izy. Ankoatra izany ny nahatonga azy lasa nifankahazo tamin’ny profesora Zafy Albert dia ny fihaonan’izy mirahalahy mianaka tany Afrika Atsimo sy tany Maputo Mozambika, ka nampisy complicité na fifankazoana teo amin-dry zareo, hoy ihany Serge Zafimahova. Namaranany ny resany dia hoy izy: « niaina zavatra maro ny filoha Ravalomanana tamin’izy tany Afrika Atsimo, niaina an’izany racisme na fanavakavahana izany izy tany ary tena nahafantatra marina fa hay izy tenany dia anisan’ny afrikana mainty. Noho izany ny filoha Ravalomanana dia olona nivoatra, niova. Noho izay fivoarany izay dia ny filoha ravalomanana no afaka:
– hiady hanala an’i Madagasikara ao anatin’ny fahantrana,
– hiady hahafahantsika malagasy hampitombo ny famokarana,
– hiady hamerina indray ny hasin’ny malagasy ao anatin’ny tsena iraisam-pirenena ».