EDITO 27 Oktobra – Fiainam-pirenena – Mahamenatra ny zavamisy

Ny Valosoa

Raha nieritreritra ny rehetra fa hizotra araka ny tokony ho izy ny fampielezan-kevitr’ireo kandida 36 izay nilatsaka ho fidiana filoham-pirenena eto Madagasikara, andro vitsivitsy mialohan’ny hahatongavan’ny fifidianana izay hatao ny 7 novambra ho avy izao dia toa tsy izany ny zava-misy amin’izao fotoana izao.

Misy mantsy ireo kandidà izay toa lasa manohitra indray ary toa miady fatratra mihitsy ny tsy hisian’izany fifidianana izanyMisy kosa ankilany ireo izay tena efa vonona ary miady fatratra mandresy lahatra ireo mpifidy, mitety an’i Madagasikara mampahafantatra ny vina ho entin’izy ireo. Ho an’iretsy voalohany dia kianin’izy ireo fatratra ny fikarakarana ny fifidianana, ny tsy fahatomombanan’ny lisitry ny mpifidy, ny tokony hanoloana ny Ceni sy ny HCC. Mitaky ny hanokafana ny lisitry ny mpifidy izy ireo satria araka ny ambarany, maro ireo olona no mbola tsy tafiditra sy tokony hiditra ao amin’izany lisitry ny mpifidy izany. Eny tonga hatramin’izany hoe « conférence souveraine »teny amin’ny CCI Ivato izany, nilazan’izy ireo ny tsy mety amin’ny firosoana amin’ny fifidianana. Ny fanontaniana mipetraka dia hoe : ho tonga hatraiza izao fitakiana ataon’ireto kandida miisa 20 mahery iretoizao ? F’angaha izay ireo kandidà ireo vao nahafantatra fa tsy maintsy misy foana ny tsy tomombana isaky ny misy fifidianana, tsy maintsy misy foana ny olona tsy tafiditra ao anatin’izany lisi-pifidianana izany? Eto Madagasikara ange isika fa tsy any ivelany e ! Tsy hisy mihitsy ny tonga lafatra fa tsy maintsy misy foana ny indro kelin’ny mpandrafitra hoy ny fitenenana izay ka ny fanaraha-maso ny fizotran’ny fifidianana no tokony hatao be ny amin’izay mety hitranga ataon’ny kandidà eo amin’ny lafiny tsy fanarahan-dalàna mandritra ny fampielezan-kevitra sy ny mety hisian’ny hala-bato mandritra ny fifidianana indrindra indrindra.

Raha hosokafana mantsy ny lisitry ny mpifidy, midika avy hatrany izany fa tsy maintsy mivoana amin’ny tsy fanarahan-dalàna indray isika ary tsy maintsy misy tetezamita satria tsy ho vita vetivety ny fikarakarana ireo fangatahan’izy ireo. Dia mety hisy indray ny fizaran-tseza samihafa ary dia tena tsy hisy olana intsony tokoa ve? Mahamenatra ary tena mbola tsy fahita manerana izao tontolo izao ny zavamisy eto amintsika asehon’ireto kandidà ireto satria dia toa heverina fa olona manana ny maha izy azy avokoa izy ireo nefa dia izao iaraha-mahita izao ny ataony, midongy tsy mety hanao fifidianana indray ary dia hitarika ny olona mihitsy hanohitra izany fifidianana izany.