Neny Ravalomanana sy ny KMMR – Nampisakafo zokiolona miisa 700 teny Andranobevava

Isambilo

Aoka izay ny kobaka ambava, hatao miredareda ao am-po ny fitiavan-tanindrazana entina hanarenana ny firenena sy ny vahoaka efa latsaka lalina ao anatin’ny fahantrana.

Tanjon’ny kandidà Marc Ravalomanana laharana faha 25 ireo hoy Neny Ravalomanana nandritra ny fihaonany tamin’ny mponina tesy Andranobevava, sy Manjakaray Boriboritany faha-5 ary tao Anosizato Boriboritany faha-4 afak’omaly, raha nanao fampielezan-kevitra ho fampandresena an’i Dada izy sy ny mpiara-dia aminy.

Tao Andranobevava dia nanome sakafo maraina zokiolona miisa 700 teo i Neny sy ny Komity Manohana an’i Marc Ravalomanana amin’ny faritra Analamanga, tarihan’ny filohany kolonely Faustin Andriambahoaka. Niatrika ny fotoana koa ny senatera Olga Ramalason sy ny depiote Félix Randriamandimbisoa. Dada nomerao 25 no hanavotra ny firenena hoy Neny Ravalomanana. Efa voasoritra ao anatin’ny Manifesto avokoa ireo paikady maika hanarenana ny fiainampirenena, indrindra ny famerenana indray ny fiainambahoaka, fampitomboana ny fampidirambolan’ny isan-tokantrano, ny fanomezana jiro, rano fisotro madio ary ny tantsoroka ho an’ireo  tantsaha raha nandray fitenenana ny senateran’i Madagasikara Olga Ramalason.

Fa omaly, tany Ankadinandriana Avaradrano indray no nanohizan’i Neny Lalao Ravalomanana ny fampilezankevitra hampandaniana ny kandida N°25 Marc Ravalomanana. Niara-dia tamin’i Neny tamin’izany ny talen’ny fampielezankevitra Analamanga ny kolonely Faustin Andriambahoaka, ny depiote voafidy tao Avaradrano Gerry Randriambolaina ary ireo KMMR ao amin’ny distrikan’Avaradrano. Hita nandritra ny fampielezankevitra fa  mipetraka ny fifampitokisana eo amin’ny mponina ao Ankadinandriana sy ny kandida ho filohampirenena N°25 Marc Ravalomanana. Tsy hisy intsony ny kobaka am-bava, fa asa avy hatrany ny an’i Dada. Efa mipetraka ihany koa ny paika entina hanarenana ny firenena raha ny nambaran’i Neny  Lalao RAVALOMANANA nandritra ny fihaonany tamin’ireo mponina marobe tany Ankadinandriana omaly maraina io. Amin’ny maha reny ahy hoy izy dia ataontsika  tsy  latsa-danja  ny fijerena manokana ireo vehivavy miaraka amin’i Dada.

Tantsaha ny ankamaroan’ny mponina any amin’iny kaominina iny, mifandrindra  tsara  amin’ny Manifesto izay Praograman’asan’ ny kandidà Marc Ravalomanana laharana faha-25 ny fitsinjovana ny tantsaha mpamokatra sy mivelona amin’ny fambolena sy fiompiana ,   isan’izany ny mponina eto Ankadinadriana hoy ny solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao avaradranon Gerry Randriambolaina. Vavolombelon’ny asa nataon’i Dada Ravalomanana ny  fametrahana ny fandriampahalemana sy ny maro hafa raha nandray fienenana ny solontenan’izy ireo. Ankoatra ny tany Ankadinandriana, nandalo tany Ambohimanambola sy Alasora koa Neny Ravalomanana sy ireo mpiara-dia aminy.