EDITO 25 Oktobra – Faritra Analamanga, Atsinanana, Analanjirofo, Alaotra Mangoro, Betsiboka – Hita taratra ny handrotsahany ny N°25

Isambilo

Hatramin’ny alatsinainy teo, faritra 5 no voatsidiky ny kandidà laharana faha-25, Marc Ravalomanana dia ny faritra Analamanga, Atsinanana, Analanjirofo, Alaotra Mangoro, ary Betsiboka. Nandritra izany, kaominina sy fokontany maro no voatsidik’i Dada, nanomboka tao Manjakandriana, Alatsinainy Bakaro, Anosibe An’ala, Vatomandry, Mahanoro, Vavatenina, Fenoarivo Atsinanana, Andilamena, Mahazoma, Maevatanana,… Feno hipoka foana ny kianja tamin’ireo toerana rehetra nolalovany ireo, hita taratra ny handrotsahan’ireo rehetra nolalovany ny N°25 amin’ny 7 novambra ho avy izao. Tao Fenoarivo Atsinanana, hatramin’ireo olona nanao tee-shirt Rajoelina aza dia tonga nihoby sy nanaraka ny fampielezan-kevitr’i Dada. Fa ankoatra izany, araka ny voalaza teo, nisy koa ireo tanàna kely nolalovany: toy ny tanySahambala, Fotsimavo, Ambodiharatra, Ambalarondro, ka nanazavan’ny  kandidà  laharana  faha-25, Marc  Ravalomanana,  ny  fandaharanasany  dia  ny MAP  2  sy  ny  fanomezan-tokiny  na  ilay    “Manifesto”. Nitohy  ny tolakandro  izany, ka  taoMahavelonaFoulpointe,  dia  vorilanona  ny  vahoaka  avy  amin’ny  tanànan’i  Besokona,Andodabe, Antaratasy, Ampasimbe, sns...Tsotra ny hafatra, “mila harenina ny Firenena hoy ny kandidà satria tao anatin’ny 9 taona dia nitontongana avokoa ny tarehimarika rehetra”. Aminy dia  tsy  izay milaza  ho manorina  sy mpanangana  rehetra  akory  dia  inoana  fa misy  koa  ny mahay kokoa raha mandrava sy manapotika ireo mpifaninana ireo. Ny MAP2 dia tsy inona fa fanarenana haingana ny  lentan’ny  Firenena  aloha,  ka  lohalaharana  ny  fandriampahalemana,  ny  sakafo  ho  an’ny

Malagasy,  ny  fianaran’ny  mpianatra,  ary  ny fahasalamana  sy  ny  asa  ho  an’ny  vahoaka.  Ny ankoatra  izay  dia mbola  haitraitra  avokoa. Nazavain’i  “Dada”  avokoa  izany  teny  amin’ny toerana rehetra nandalovany.