MAPAR loharano mamatsy vola mpiasan’ny minisiteran’ny atitany sy CENI

Radio MBS

 

Dinika  ho fanavotam-pirenena na ny DFP – Afaka manao fampielezan-kevitra ve ny mpiasam-panjakana ve sa tsia?

Milaza ny DFP fa hametraka fitoriana ary nolaviny ny fanazavana nentin’ny tompon’andraikitra hoe raha te-hanao fampielezan-kevitra ny mpiasam-panjakana dia mila haka fialan-tsasatra. Ho an’ny DSP dia tsy mitombina izany fa disponibilité mihitsy no tokony halain’ireny olona ambony ireny.

Manazava ataon’i Doudou Ratolojanahary:

Misy minisitra tratra tany Mahatsiatra Ambony mamonjy sefom-pokontany. Misy adjoint au maire mandeha manaraka kandidà manao praopagandy. Misy chef de région tratranay tany @ faritra atsinanana manao praopagandy, misy mampiasa fitaovam-panjakana, misy mandrahona vahoaka hoe tsy maintsy midify ny kandidànay.

Hiroso ami’ny fametrahana ny plainte pénale amin’ireny olona ireny izahay. Be dia be ny fitondran-tena mampiahiahy eo amin’ireo mpiasan’ny CENI maromaro. Ary mampiahiahy ny olona dia ho voahodina ny vokam-pifidianana.

MAPAR no loharano mamatsy vola ireny mpiasan’ny minisitera ny atitany ireny. Fantatray izany fa tsy voalazanay izany fa maro ireo mpiasam-panjakana mialokaloka ao amin’ny mpiasan’ny CENI ao. Indrindra eny amin’ny fokontany. Tafiditra anaty ny CENI ny sefom-pokontany.

Fampitàna ny voka-pifidianana avy amin’ny CENI fokontany miakatra aty amin’ny Distrika mandra-pahatongan’ny Région dia mampiahiahy.

Koa miantso antsika rehetra izay mpanara-maso naman’ny DSP mba hijery akaiky ny fitondran-tenan’ireo mpiasan’ny CENI.