EDITO 20 Oktobra – Tolo-kevitra atolotra ny N°25 – Ny 25 dia fitambaran’ny tarehi-marika 2 sy 5

Tonga ao an-tsaina avy hatrany ny voasoratra ao amin’ny Matio 14:17 sy Lioka 9:13 izay miresaka momba ny hazandrano 2 sy mofo 5, izay ampy mizara ho an’ny vahoaka. Tsy tongatonga ho azy fa avy amin’Andriamanitra ny fahazoana ny laharana 25, noho izany dia tokony ho trandrahina izany ahatontosa ny sitrapon’ Andriamanitra. Misy eto amin’ny firenentsika ny hazandrano 2 sy mofo 5 ampy ho zaraina  ho an’ny vahoaka Malagasy, saingy mila mpitondra manam-pinoana sy mahay mitsinjara amim-pahamarinana izany. Ny Filoha Marc Ravalomanana laharana faha-25 no mendrika sy manana adidy hizara ireo harena ireo dia ny hazandrano 2 sy mofo 5.

Ny hazandrano 2:
1. Ny harena an-dranomasina: trondro, sira , vatosoa samihafa, azo ivezivezena.
2. Ny harena an-dranomamy: trondro, rano fisotro sy fidiovana, manondraka ny tany.

Ireo mofo 5:
1. Ny teny Malagasy, azo ivelomana satria nahafahana nandika ny baiboly, no sady teny ifandraisan’ny samy Malagasy.
2. Ny fomba amam-panao sy ny kolontsaina Malagasy izay mifototra amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra sy ny fihavanana ary ny fifanajana.
3. Ireo harena ambonin’ny tany toy ny zava-maniry sy biby isankarazany.
4. Ireo harena ambanin’ny tany toy ny volamena, vatosoa, solika, sns…
5. Ny  fahadimy farany dia ny toetrandro toy ny rivotra, masoandro, orana, harena mahavelona ireo raha voafehy.

Ireo voalaza ireo no hazandrano 2 sy mofo 5 ampy ho antsika Malagasy, mila mpitondra manam-pinoana toa an’ny Filoha Marc Ravalomanana, hizara ireo amin’ny Malagasy.
Ny voalaza ao amin’ny  baiboly aza dia mbola nisy ambiny rehefa tapi-nihinana ireo vahoaka marobe, izay hadika hoe mbola misy ny ambim-bava azo aondrana any ivelany.
Eto am-pamaranana dia tsotra ny  hafatra ampitaina, sitrak’Andiamanitra ny nahazoana ny laharana 25  ka dia  tanterahina ny sitrapony amin’ny alalan’ny fifidianana ny laharana 25. Sa ahoana hoy ianao?