Katsaka niakatra 50% – Variana amin’ny praopagandy ny mpitondraka tsy mahatsiaro ny fahavoazan’ny tantsaha intsony

Rajo

Akoho manatody lava – Sahirana ny mpiompy fa niakatra ny katsaka

Tafakatra 1500 ariary ny iray kilao amin’ny katsaka ankehitriny. Teo aloha dia manodidiana ny 1000 ariary ny iray kilao. Ny atody anefa dia tsy miakatra ny vidiny fa manodidina any 350 ariary ny iray eny amin’ny mpiompy. Mitombo io vidiny io rehefa tonga aty Antananarivo.

Teo aloha dia mahazo tombony ihany ny mpiompy, ankehitriny anefa dia sahirana izy ireo satria tsy mahatakatra ny masonkarena ny vola miditra. Manginy fotsiny ny fanafody sy ny fitaovana samihafa ampiasaina rehefa miompy akoho.

Tsy vitan’izany fa mbola miakatra ihany koa ny vidin’ny akohokely satria raha manodidina ny 3800 ariary ny iray teo aloha dia mihoatra ny 4000 ariary ny iray ankehitriny.

Mbola ompiana dimy volana io vao manatody.

Mimenomenona ny tantsaha mpiompy ankehitriny satria raha izao no mitohy dia hihena ny mpiompy akoho manatody lava any amin’iny faritr’i Mahitsy sy ny manodidina iny.

Manaitra ny mpitondra fanjakana ny tantsaha any amin’iny faritra iny mba hijery izay fiakaran’ny vidin’ny katsaka iza satria ny 70% ny sakafon’akoho dia katsaka avokoa.

Mbola variana amin’ny praopagandy ka tsy mahatsiaro ny fahavoazan’ny tantsaha intsony ny mpitondra.