Manondrana indray ny CENI – Tsy ny hahatomombana ny lisi-pifidianana no atao laharam-pahamehana

Tsy ny hahatomombana ny lisi-pifidianana no atao laharam-pahamehana hanajàna ny safidim-bahoaka fa mandragaranga fanafoanana ny fampielezan-kevitra noho ny tsy nahatongavan’ny kandidà rehetra nanolotra ny fizotry ny fampielezan-kevitra.
Nefa ny kandidà nanao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana dia tsy nasiana teny. Sa mahita ny fahombiazan’i Dada dia mody ny kandidà rehetra no ivovohazana.


 

Rajo
Fampielezan-kevitra – Samy tsy nisy nanao fangatahana ireo kandidà hoy ny Ceni

Tsy nisy kandida na dia iray aza tonga nanolotra ny fizotry ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana filoham-pirenena eto amintsika aty aminay hoy ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na ny Ceni. Tokony ho 48 ora mialoha anefa no anateran’izy ireo izany fangatahana izany raha ny fanazavana ihany. Noho io antony io dia hamory ireo kandida filoham-pirenena 36 ny eo anivon’ny Ceni satria mety hiteraka fanafoanana fampielezan-kevitra ho an’ny kandida ny tsy fanajany ny lalàna.