11:00 > SADC – Angidimby enina natokana hanangona voka-pifidianana

Nanokana angindimby enina ny SADC ho atao fanangonana biletam-pifidianana sy ny PV eny amin’ny distrika tsirairay avy. Mitsinjara faritra enina ny anjaran’ireo angidimby ireo hahafahana manakatra toerana saro-dalana toy ny faritra SAVA sy Anosy.

Na dia vitan’ny angindimby malaky aza ny fitondràna ireo voka-pifidianana ireo dia sadaikatra ihany ny olon-tsotra noho ny fahavononan’ireo mpangala-bato, ka mampirisika ihany mba ho mailo. Misy ny soson-kevitra fangalàna sary ny PV ho fakafakain’ny foiben’ny kandidà isan-tokony. Koa izay no ilavana mpisolon-tena isaky ny biraom-pifidianana araka izay tratra hanatanteraka izany.

Ankehitriny dia misy ny kandidà izay mampizara finday eran’ny Nosy. Tanana efa zatra nitsotra ny an’izy ity ka mametra-panontaniana amin’izay kobonin’izany fizarana izany. Koa aoka mailo ihany fa Ramalina aza mifehy hazo tokana.