10:30 > Moramanga – Sabotsy 13 Oktobra – Neny Lalao hitarika Carnaval ho an’ny kandidà 25

Hidina any amin’ny Moramanga i Neny lalao Ravalomanana ny Sabotsy 13 Oktobra hoavy izao. Izy no hitarika ny hetsika lehibe ho fampandaniana ny kandida laharana 25 Marc Ravalomanana , izay karakarain’ireo mpiara-mikatroka any an-toerana.
Hitsena ny delegasiona tarihiny eny Marozevo arak’izany ny mpanohana ny kandida faha-25 ary hiara-hamakivaky ny tanàn’i Moramanga amin’ny alalan’ny Carnaval lehibe izy ireo . Aorian’izay dia hisy fihaonambe ho tanterahina ao amin’ny Foiben-toeran’ny KMMR ( QG) ao Moramanga hanamafisana ny toromarika sy ny fanentanana rehetra. Tanjona ny hampandresena ny kandida Marc Ravalomanana izay efa nanaporofo fa afaka mampandroso an’i Madagasikara sady Mpanorina fa tsy mpandrava izy .