EDITO 6 Oktobra 2018 – Rafitra mandany vola fotsiny ny CFM

Rina Rabemananjara

Miezaka mafy ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy na ny CFM  manao izao zavatra rehetra izao, fa tsy hita mihitsy aloha izay vokatry ny asa izay ataony.

Natao ny fihaonan’ny mpanao politika teny amin’ny CCI Ivato, saika totohondry no niafarany; nalefa indray ny fanentanana ny kandida mirotsaka Filoham-pirenena hanao sonia ny Satan’ny fitoniana sy ny fahaizana mitondra tena, tsy nahafeno 10 akory ny namaly ny antso.

Dia hoy ny maro manao hoe : inona no tena antony mbola ilana ny CFM? Tsy azo ferana rahateo ny olona amin’ny fanehoan-kevitra. Raha ny tokony ho izy dia arakaraky ny vola izay laniana no vokatra azo. Tsy izany kosa no fahitan’ny maro ny CFM satria toa mandany vola fotsiny. Raha resaka Fihavanana, tsy hatoro voanjo hadiana amin’izany ny Malagasy. Miainga avy any anaty koa izany Fihavanana izany fa tsy terena na tarihana. Fantatry ny Malagasy ny tokony ho ataony! Sa ahoana hoy ianao?