EDITO 4 Oktobra 2018 – Amarino ny anarana ao anaty lisi-pifidianana

Rina Rabemananjara

Mitohy hatrany ny fanentanana ny amin’ny fijerena sy ny fanamarinana ny anarana any anaty lisi-pifidianana. Ho an’ny mpanohana ny Kandida Marc Ravalomanana manokana dia tsy atao ambanin-javatra io lafiny iray io. Fa ankoatra izay dia ilaina hatrany koa ny fijerena ireo tranga any anaty lisi-pifidianana izay tsy araka ny tokony ho izy. Anisan’izany ny fisian’ny olona efa maty kanefa mbola ao anaty lisitra , ao koa ny olona tsy ao amin’ny Fokontany intsony fa nifindra monina izay efa naka taratasy fifindra-monina kanefa mbola ao anaty lisitra , ao indray ny olona izay misoratra in-2 ka hita any amin’ny Fokontany 2 samihafa , ankoatra izay ny anaran’olona izay tokony hifidy nefa latsaka . Raha toa ka mitambatambatra ireo tsy fahatomombanana ireo dia mazava loatra fa mampiova tanteraka ny voka-pifidianana, ka izany no tsy maintsy maha-mailo ankoatra ny fanamarinana ny anarana any anaty lisitra. Fa tsy tokony hatao ambanin-javatra koa ny fanentanana ny olona handeha hifidy ny datin’ny alarobia 7 Novambra 2018, ka hanamboatra dieny izao ny fandaharam-potoana ho an’ny tsirairay izay hifidy. Tanjona ny hisian’ny taha-pandraisan’anjara ambony dia ambony amin’ity fifidianana indray mitoraka ity, mba tena hisehoan’ny Demokrasia ka hivoahan’ny tena safidim-bahoaka. Izay no fanirian’ny rehetra, sa ahoana hoy ianao?