07:00 > Ambalavato – Antsirabe – Fipoahan’ny tobin-tsolika

Tsy misy fiantraikany amin’ny famatsiana jiro ao Antsirabe
Solohery

Asa na tsy fahaiza-manao na tandrevaka fa dia saika nidiran-doza tanteraka ny tanànan’Antsirabe ny alin’ny sabotsy lasa teo.

Nitrangana zava-doza ny tanànan’Antsirabe ny sabotsy lasa teo, tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany tany ho any, satria asa na noho ny olana ara-teknika na inona fa nipaoka vokatry ny hafanana diso tafahoatra ny “cuve” lehibe miety 110m3 , fitehirizana ireny menaka mavesatra ireny, tao amin’ny Jirama Ambalavato-Antsirabe.

Raha ny fanazavana dia ny fiakaran’ny hafanana be loatra tamin’io fitaovana io no nampipoaka azy ka nipitika tany amin’ny 300 metatra mihitsy ny saron’ilay fitobian-tsolika ary nidedaka nanaka-danitra ny afo, izay tombanana hatramin’ny 20 metatra no mihoatra tany ho any ny lelafo tamin’izany.

Ny loza tena natahorana dia mbola nisy fitobian-tsolika maromaro izay nisy “gas oil” ihany koa nanodidina teo, ankoatra ity nipoaka ity. Soa ihany raha ny fanazavana fa efa mba tsy be loatra intsony ny tahiry tao anatin’ity nipaoka ity ka niandry fitsaharan’ny afo no azo natao.

Ankoatra izay dia ny fiarovana ireo fitobian-tsolika nanodidina ihany tamin’ny alalan’ny fampangatsiahana azy amin’ny alalan’ny fanondrahana rano no natao. Isan’ny olan’Antsirabe hatrany ny tsy fisian’ny fitaovana famonoana afo eto an-toerana fa dia ilay tranainy be an’ny orinasa Cotona ihany no mba nanao izay vitany teo.

Tsy hisy fiantraikany amin’ny famatsian-jiro eto Antsirabe aloha hatreto iny loza iny raha ny fanazavan’ny Talen’ny Jirama Antsirabe. Tsilan-tsofina no nahafantarana fa ahiana ho tsy fahafehezan’ireo mpiasa teratany vahiny mitantana ny Jirama ankehitriny no mety ho antony satria izy ireo no nanavao ny milina rehetra tao amin’ny Jirama sy mitantana azy ankehitriny, ka asa na hisy hifandraisany aminizany izao loza saika namotika an’Antsirabe izao na tsia.