FOKOTIM Ambatomaro boriborintany V – Asa tonga dia vavany hatrany

Helisoa

Vory lanona  tao Ambatomaro   ny sabotsy  teo  ireo  mpikatroka Tiako  i Madagasikara(TIM), ao amin’ny  fokontany  Ambatomaro  boriborintany faha 5,  notarihan’ny biraon’ny FOKOTIM ao antoerana,  sy ny filoha lefitry  ny  DISTIM Nina Rabetsialisaona, mpikatroka  avy  ao amin’ity fokontany  ityhatramin’izay. Tonga  nanotrona ny fotoana tamin’izany  ny  filohan’ny DISTIM boriborintany faha 5 mpisolo toerana, Zouf Jacques .  Nitondra  ny hafatra sy ny toromarika ho an’ireo  mpikambana Tiako iMadagasikara   ity farany   amin’izao ankatoky ny fifidianana filohan’ny Repoblika izao.   Nandritra  ny fivoriana   no  nanamafisan’ny  mpikambana  rehetra fa tsy miova ny birao hitantana ny FOKTIM  ao Ambatomaro  fa avy hatrany dia miasa hampandresy ny kandida, filoha  Marc  Ravalomanana  N°25 . Nanome toky  ny filoha Lefitry ny DISTIM,  Nina Rabetsialisaona  fa  Ambatomaro efa vonona hatry ny ela  hampandresy  an’i Dada. Efa niharitra ny mafy loatra izahay hoy izy   nandritra  ny fanonganam-panjakàna teto  Madagasikara ny taona 2009, ka tonga izao ny fotoana   hametrahana  ny filoha Marc Ravalomananahitantana   ny firenena indray. Dada ihany  no  vahaolana  hanarina  ity firenena ity hoy  ramatoa Justine: tamin’ny fitondràny izahay hoy izy niaina ampilaminana, afaka nianatra ny zanakay , afaka  nisakafo na vola kely aza no teo ampelatanana , mila miverina hitondra ny firenena ny filoha MarcRavalomanana hoy izy . Nofaranana tamin’ny fiaraha-nisakafo  ny fotoana  mba ho mariky ny nofon-kena mitam-pihavanana hoy  Nina Rabetsialisaona,   tompomarika tamin’izao fihaonan’ny TIM tao  Ambatomaro izao.

Matanjaka sy sahy mijoro ny Foktim Ambatomaro sy ny boriborintany faha 5 hampandresy ny filoha Ravalomanana N25

Publiée par Arp Helisoa sur Samedi 29 septembre 2018