07:00 > CUA – Manadio tanàna ary manatitra ny fako amin’ny dabam-pako no andraikiny

Isambilo

Mandeha indray ankehitriny ny resaka fako , atao resaka politika mihintsy izany handotoana ny ben’ny tanànan’Antananarivo (CUA), Lalao Ravalomanana sy entina handemena ny sain’ny olona tsy ho tia ny kandida laharana faha-25, MarcRavalomaana . Ny asa fanadiovana ny tanàna dia efa asa andavanandron’ny kaominina Antananarivo Renivohitra , vita ny asany manatitra ny fako eny amin’ny daban-jaoridira, ny mpiasan’ny Kaominina sy ny RF2 na ny Rafitra Fidiovana sy Fahadiovana, araka ny fanazavana nataon’ny lefitra voalohan’ny ben’ny tanànan’Antananarivo, ny kolonely Ramboasalama Emillien. Nambarany tamin’izany fa in-3 isan’andro no manadio tanàna ny mpiasan’ny kaominina, manomboka amin’ny 5 ora maraina, miverina avy eo amin’ny 10 ora maraina, ary ny tolakandro amin’ny 3 ora any ho any. Na mampalahelo anefa, lasa ny mpanadio dia tong any maty eritreritra sasany mandoto, ka mbola hanentanan’ny kaominina ny rehetra hitandro hatrany izay fahadiovana izay, fa mafy tokoa ny asan’ireo mpanadio tanàna ireo hoy izy.