Marc Ravalomanana – Izaho mihitsy no nahita an’i Norbert Lala (Ratsirahonana) nanova ny zavatra nosoratako

Bruxelles, Paris : kandidà Ravalomanana N°25

Ny marina momba ny fanonganam-panjakana 2009

Isambilo

 Rehefa avy nitety faritra maro teto Madagasikara ny kandidà Marc RavalomananaN°25 dia niresaka taminireo mpiray tanindrazana amintsika mipetraka any Eoropa, nanazava mazava izy ny anton-diany tany, dia : mandalo fasahiranana mafy ankehitriny ny tonkantrano Malagasy, iray lehibe aminizany ny tsy fahampian-tsakafo, io no adidy lehibe voalohany miandry ahy ka nihazakazahako tao aminny Vondrona Eoropeanina, hoy i Dada, nitondrany ny fandaharan’asany aminny hanampian’izy ireo antsika mahakasika izany, nahoana hoy i Dada no omenareo vola 2 euros isanandroireo mpitsoam-ponenana maneran-tany mba hihinanany sakafo, fa mba misiaá ianareo mandeha any aminay mijery ny zava-misy marina any fa maro ny olona tsy misakafo,indrindra fa ny any aminny faritra atsimo. Tsy niandry ela ny tompon’andraikitra ny Vondrona Eoropeanina fa nandefa olona hijery izany maika.
Ny mahakasika ny fandriampahalemana dia nambarany mazava fa rehefa misakafo ny olona dia mihena be ny tsy fandriampahalemana, satria nohon’ny fahantrana misy ao aminny tokantrano no mahatonga izany.
Simba tanteraka ny lalana rehetra eto Madagasikara, tsy maintsy haverina hamboarina izy ireny.
Maharary ahy mafy hoy ny Filoha
Marc Ravalomanana ny mahita ireo ankizy tsy miditra an-tsekoly, izay rehetra nanontaniako hoy izy dia milaza fa nohon’ny tsy fahampiana no mahatonga izany, tsy handroso mihintsy ny firenena rehefa tsy mahay ny olona ao aminy, tsy maintsy ary tena tsy maintsy hampianarina ny zanantsika Malagasy.
Nanazava mahi
tsy izy, fa izy dia niharanny herisetra ara-batana taminny fanonganam-panjakana taminny taona 2009 ireny. Efa mijoro aho izao hoy izy, fa ny tena voa mafy dia ny vahoaka Malagasy, n’inona hazavaina ankehitriny fa hoe tsy coup d’etat dia diso, izaho mihintsy hoy i Dada no nahita an’i Norbert Lala nanova ny Zavatra nosoratako,ho avy ny fotoana tsy maintsy hanazavana ny zava-marina rehetra mahakasika iny. Voasazinizao tontolo izao i Madagasikara noho ilay coup d’etat, ary ny vahoaka no mandalo fasahiranana mafy, nohon’ny fitiavan-tenanny hafa. Ankoatra izany, vita ny MAP 2 ary nentina taminireo mpamatsy vola, tsy hoe rehefa tonga eo vao hitady vola, fa izao no fotoana fanaovana izany hoy ihany i Dada.