06:00 > Fitondrampanjakàna Mitady hanakorontana ny tsena efa milamina eo Analakely indray

Faly ny mpivarotra amoron-dalana eo akaikin’ny Espalanade Analakely fa nomen’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana toerana maimpaimpoana ahafahany mivarotra, nefa tsy manelingelina ny fifamoivoizana no manome endrika ny tanàna. Tsena trano vy vaovao, izay ny mpivarotra ihany no nandray an-tanana ny fanamboarana azy no natao tamin’izany, ka nokendrena mba ho tafiditra ao anatin’io tsena io avokoa ireto farany araka ny fandaminana napetraky ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Vita tamin’ny ampahany ny asa ary efa maro no nahavita ny trano vy . Tampoka teo anefa dia voalaza misy izany projet an’ny fanjakàna izany indray tadiavin’ny mpitondra hapetraka eo amin’io toerana io , izay nampisahotaka ny mpivarotra ny maraina teo. Tsy hiala eto izahay hoy ireo mpivarotra satria efa milamina izahay eto ; tsy mibahan-dalana, ao anatin’ny ara-dalàna, koa maninona izahay no hoesorina eto amin’ny tsena izay efa nandanianay ny volanay . Resaka politika no antony hanesorana anay eto, indrindra amin’izao ankatoky ny fifidianana izao.

(CUA Serasera Ofisialy)