16:00 > Ambahavaditokana – Tanjona ny hampakatra avo roa heny ny voka-bary

Rajo

Vokatry ny tohadrano manondraka velarantany an-jatony hektara any amin’ny faritr’Ambavahaditokana atsimondrano, dia ho tratra ny tanjona amin’ny fitomboan’ny voka-bary ho avo roa heny hoy ny ben’ny tanàna Ratianarivo Bruno.

Laharam-pahamehana mantsy ny fampidiran-drano any amin’iny faritra iny hoy ny ben’ny tanàna satria antoky ny voka-bary ny rano ampy, tsy mijaly rehefa fotoam-panetsana toy izao.

Rehefa ampy mantsy ny rano dia ampy ny vokatra hoy izy ary afaka mamatsy mihitsy aza avy eo.

Tsy ny toha-drano  ihany, fa teo ihany koa ny famatsiana masomboly sy zezika ho an’ireo vondrona tantsaha any amin’iny faritra iny. Tsy mijanona eo ny hetsika hoy ny ben’ny tanàna fa mbola hitohy hatrany satria ny fampandrosoana ny faritra sy ny tantsaha amin’ny ankapobeny no tanjona amin’izany. Tsy ny fambolena ihany fa tsy maintsy mandroso avokoa ny sehatra samihafa eny anivon’ny kaominina Ambahaditokana atsimondrano.