EDITO 22 Septambra 2018 – Fifidianana anaty pesta, ho foana koa ve ny doro tanety?

Rajo

Ahiana ny fiparitahan’ny aretina pesta ao anatin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ity taona ity. Hatreto aloha dia 2 no voamarina fa matin’ny aretina pesta, ka tany Ankazobe sy Ambalavao no nahitana io tranga io. Ireo mpivady tany Analavory koa dia voalaza fa matin’ny pesta.  13 no nambaran’ny minisitry ny fahasalamana fa ahiana ho mararin’ny pesta tamin’ireo nanaovana fitiliana teo anelanelan’ny 1 Aogositra sy ny 17 Septambra 2018 lasa teo teto Madagasikara. Avy amin’ny distrika miisa fito izy ireo,  dia ny distrikan’ Ambalavao, Ambatofinandrahana, Fandriana, Miarinarivo, Ankazobe ary Morondava any amin’ny faritra dimy dia Matsiatra ambony, Amoron’i Mania, Itasy, Analamanga ary Menabe. Nanamafy arak’izany ny teo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamana fa ho hentitra amin’ny fandraisan’ andraikitra sy ny fanentanana amin’ny fahadiovana sy ny doro tanety. Hatreto anefa aloha dia tsy mbola voafehy izany doro tanety izany eto amintsika ka mety hiteraka savorovoro amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 7 novambra ho avy izao ve izany? Sa ahoana hoy ianao?