15:00 > Tsenan’omby Ambatomainty – Mbola tsy tafaverina ny fampiharana ny “guichet unique”

Serge

Namaha ny olan’ireo tantsaha mpiompy any ambany andrefana dia ny faritra Melaky mampiasa ny tsenan’omby ao Ambatomainty ny fisian’ny guichet unique teo aloha, ny taona 2010.

Nanahirana azy ireo ny fisian’ny mpanelanelana maro ka mamerivery ny tantsaha mivarotra omby. Efa niakatra an’hetsiny ny vola lany izay vao mahalafo omby iray izy ireo. Nihena ihany koa ny kolikoly sy ny famotsiana omby maloto.

Taty aoriana, nisy hatrany ireo niezaka nandrava izany dia ireo mpahazo tombontsoa. Niverina indray ny tsy fandriampahalemana rehefa rava izany ary izao mbola tsy tafaverina izao.

Nandritra ny fivoriana fanao isambolana natao tao amin’ny renivohitry ny distrika faha-22-n’ny volana farany teo no namerenan’ireo tantsaha mpiompy ny fangatahany hamerenana izany guichet unique izany indray.

Ity tsenan’Ambatomainty ity dia tsena lehibe mamoaka omby manodidina ny 4000 omby isam-bolana.