EDITO 13 Septambra – Mbola nampiasa fahefam-panjakana ny Filoha nametra-pialana

Helisoa

Mbola mieritreritra ihany angamba ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina fa mbola mitantana ny firenena izy, nefa efa namindra ny fahefàny tamin’ny filohan’ny Antenimieran-doholona Rivo Rakotovao.

Ny fantatra aloha  dia mbola mipetraka ao  amin’ny lapam-panjakàna eny Mavoloha  izy sy ny vady amanjanany, ary mbola mampiasa ny famantarana ny fiadidiana ny Repoblikan’i Madagasikara ihany, izay hita tamin’ny gazety an-tsoratra mpiseho isan’andro nivoaka ny andron’ny omaly nanaovany dokam-barotra.

Manoloana izany, manontany tena ny olompirenena hoe, angaha mbola filoha amperin’asa ihany i Hery Rajaonarimampianina? sa ny filoha mpisolo toerana azy mpiara-misaosy sy mpiara-misaika hatramin’izay dia tsy olana na mbola mampiasa ny fahefam-pajakàna aza  ny filoha efa nametram-pialàna?

Manoloana  izany indrindra, andeha araka ny tokony ho izy tokoa ve io fifidianana filohampirenena ho avy io satria ety am-piandohana dia efa miseho lany ny tsy fanarahan-dalàna samihafa ataon’ny tompon’andraiki-panjakàna?

Aleo ny ho avy no hitazanana azy, satria ny fitondràna dia milaza ombieny ombieny fa atao   amin’ny ara-dalàna ny fikarakaràna io fifidianana ho avy io.  Ho tompon’andraikitra syho tsarain’ny tantara eo ny Praiminisitra Ntsay Christian, ny filoha mpisolo toerana Rivo Rakotovao , ny CENI, raha ny mifanohitra amin’izany no hiseho eto Madagasikara .