Antsika Malagasy ny tany!

Rehefa manao zavatra I Dada dia manaraka “discipline”. Izaho no filoha, ianareo no ekipako, apetratsika ny paik’ady ary arahina izay tadiavin’iretsy atao. Tsy very mihitsy isika amin’izay.

Raha 54 ny firenena nifaninana tamin’ny fifaninanan African Political Leadership dia I Dada no nahazo ny amboara voalohany. Tsy midoka tena aho fa hanarina ity firenena ity, hananantsika firenena tena vanona, hananantsika firenena vaovao. Fa izao ihany aloha mandresy isika. Tsy maintsy atao izay ahazoana fahefana.

Ampafantarina ny vahoaka tsara ny azo atao sy tsy azo atao. Izay mbola mandika lalàna eo dia tavela any.

Ireo vahiny izay miara-monina amintsika dia arahaba soa arahaba tsara. Hampiasa ny volany eto izy. Aza mieritreritra mihitsy ianareo hoe hamono antoka ireo. Ampitomboiny avo folo heny aza io @ izao zava-manjo antsika izao. Fotoana anararaotan’ny sasany izao misy antsika izao. Dia hiresaka amin’ireo isika hilaza hoe manaiky izahay, hifanaraka isika, fa hajaina aloha ny Malagasy. Ny Malagasy aloha, izay vao miresaka. Ka raha manilikilika ny Malagasy, na manao ny kely tsy mba mamindro dia hiaro ny Malagasy i Dada.

Tsy manambany ny sasany aho fa misy firy amin’ireo kandidà ireo sahy mandroaka na sahy mamoaka hoe mody rehefa tsy manara-dalàna. Iza no sahy mamoaka an’izany? Dada sahy mamoaka an’izany.

Antsika Malagasy ny tany. Isika Malagasy, Malagasy foana dia isika aloha no tompony. Fa lasa tompony mangatangataka isika amin’izao fotoana izao. Trandrahany daholo izao izay tiany trandrahana. Zavatra kely ery no omeny @ ilay kolikoly. Lasa miaraka amin’ny tsy tokony ho lasany. Izao ny “crabe” manjary tsy misy intsony. Fantatro daholo ny zava-mitranga. Izay no mahatonga ahy hitety ny faritra rehetra eto Madagasikara. Te-hahalala aho. Mahay amin’izay aho hoe ahoana no hifampiraharaha amin’ireo.

Vitako ny manao an’io, vitantsika ny manao an’io. Izay ilay fitenin-dry zareo amerikanina: “We can do it!”. Mifankalala koa moa izahay. Tsy vahiny aho ary haiko tsarya ny mifampiraharaha amin’ireo. Raha vao isika no mitokatoka-monina aty dia hadino eto isika.

Manàna finoana. Aza matahotra. Tsy maintsy tafitantsika Madagasikara. Tandremo ampifendrofendron’ny sasany. Lazao fa dadany i Dada fa efa niresaka taminay izy!

Sahia isika! Ataontsika izay hanarenana ny firenena!

Ny filoha Marc Ravalomanana tany Morondava , mba raho kely ange e! izany ka tena Dada

Publiée par Arp Helisoa sur Mercredi 12 septembre 2018