Morondava – Fifohazana FJKM – Mpizaika miisa 15000 hiatrika fihaonambe; isany Marc Ravalomanana

Isambilo

Azo lazaina ho mihetsiketsika avokoa tato ho ato ireo sampana isan-karazany ao anivon’ny fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara, na ny FJKM.

Tao aorian’ny fihaonamben’ireo lahika FJKM tany amin’ny faritra maro samihafa teto amin’ny Nosy dia mpizaika miisa 15000 any ho any ka hatramin’ny 20000 no andrasana hiatrika ny fihaonamben’ny ny Fifohazana manerana an’i Madagasikara, izay hatao any Morondava, renivohitry ny faritra Menabe, manomboka anio 11 septambra ka hifarana ny 14 sept 2018.

Noho ny fanohanana nataon’ny tompon’andraikitra any amin’ny faritra Menabe, mankasitraka izany ny fiangonana: mankasitraka ireo solontenampanjakana any antoerana nanampy ary ny kaomina sy ny fiangonana katolika any Morondava nanome ny Akanin’ny Ankizy hanaovana ny fanokafana anio.

Hiatrika izany any an-toerana, ireo avy amin’ny birao foiben’ny fiangonana FJKM, hiatrika izany koa ny filoha Marc Ravalomanana, filohan’ny komitin’ny jobily faha-50 taonan’ny FJKM sy ny faha-200 taona nidiran’ny misionera LMS teto amintsika.