Ravalo N°25 tao Antanifotsy – Haka fahefana amin’ny fifidianana fa tsy amin’ny basy

Helisoa

Ny mponina  tao   amin’ny distrikan’Antanifotsy, faritra Vakinankaratra indray no nihaona sy nitafa tamin’ny filoha kandida N°25 Marc Ravalomanana omaly. Vory lanona ireto farany na tampoka aza ny fandalovan’i Dada tao an-toerana. Mamparary ny mponina any amin’ny distrikan’Antanifotsy ny lafiny tsy fandriampahalemana. Tsy maintsy jerena io, hoy ny filoha Marc Ravalomanana satria mampitondra faisana ny vahoaka. Efa eto aho, hoy Dada fa aza matahotra intsony ianareo e!  Marobe hoy izy ny basy tsy hita tamin’ny fanonganam-panjakàna tamin’ny taona 2009. Nanomboka io taona io vao tena nirongatra ny tsy fandriampahalemana teto Madagasikara.

Namafisin’ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ny lahateny nataony fa amin’ny alalan’ny fifidianana ara-demokratika no hangalàna ny fahefana fa tsy amin’ny fanonganam-panjakàna sy ny basy velively. Io fanonganam-panjakàna io no nampidikizo ny  firenena toy izao.

Ankoatra izay, hiady amin’ny kolikoly isika satria fanetriben’ny firenena io, eo ihany koa ny fijerena ny lafiny fanabeazana. Efa nanana ny toerany ny mpampianatra  talohan’ny fanonganam-panjakàna teto, ny mpianatra nahazo aron’akanjo sy Kit scolaire. Amin’izao, aiza izany?

Mahareta ianareo mpampianatra  fa efa eto Dada hoy izy!