21:30 > Marc Ravalomanana – Faly aho, tena faly mihaona aminareo eto Morondava

Faly aho, tena faly mihaona aminareo eto Morondava. Ahatsiarovako zavatra maro Morondava satria teto no nitsiry ny hevitra hanampiana ireo ray amandreny nampiana-janaka ka nahatonga ahy hitady ny fomba rehetra hanampiana ny zanaka malagasy tamin’ny alalan’ny kits scolaires tamin’ny fotoana nitondrako. Amiko mijanona ho zava-dehibe mandrakariva ny fanabeazana. Hotohizantsika hatrany ny ezaka fanabeazana ny zanantsika hahatonga azy ho olombanona sy tafita amin’ny fianarana. Efa tapa-kevitra ny hiasa hiaraka sy handray andraikitra hanampiana ireo mpiarabelona hivoatra amin’ny fiainana isika koa dia miara-manamafy ny fahavononana sy ny fifampatokisana hanatanterahana izany.

(Marc Ravalomanana – Ofisialy)