EDITO 8 Septambra – Maika ny fandaminana ny saim-bahoaka

Sôh’son

Amin’ny ankapobeny dia tsy milamin-tsaina ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao. Misisika ao an-tsainy avokoa ny zavatra maro samihafa eo amin’ny andavanandrom-piainany sy ny zava-misy eto amin’ny firenena. Tranga zary efa raiki-tampisaka amin’ny fiarahamonina ny olana ara-tsosialy mavaivay izay rakofan’ny sondro-bidim-piainana tsy mitsaha-mitombo isan’andro. Miakatra avokoa ny vidin-javatra rehetra na ny vidin-tsakafo ilaina amin’ny fiainana andavanandro, ny fanafody, ny fitaovam-pianaran’ny mpianatra, sns, ary miha lafo hatrany izany vokatry ny fisondrotry ny saran-dalana. Ny tsy fandriampahalemana noho ny firongatry ny asan-jiolahy izay mihamahery vaika hatrany efa mahatonga ny vahoaka ho toy ny sahobakaka ambodiriana, mitaintain-dava andro aman’alina. Tsy mahita vahaolana firy hampihenana farafahakeliny izany ny mpitandro filaminana sy ny tompon’andriki-panjakana hatreto, mba hampitoniana ny vahoaka.

Etsy ankilan’ireo olam-be mianjady amin’ny vahoaka ireo ka tsy mampilamin-tsaina azy no manampy trotraka koa ny fifandroritana politika amin’ny famafazana hevitra sy firehan-kevitra etsy sy eroa momba ny fifidianana na ny amin’izay tokony hizoran’ny firenena. Toa vao mainka nihanifamahofaho be ihany ny tsy fitoviam-pijery samihafa eo amin’ny samy mpanao politika na ny samy kandidà mbamin’ny mpitondra fanjakana. Inona no tetika ambadika na tetika maizina kotrehin’ny mpanao politika na kandidà sasany amin’ny fampisavorovoroana ny hevitra ny amin’ny hanemorana na hanafoanana ny fifidianana? Mazava loatra fa tsy mandehandeha ho azy akory ny fihetsik’ireny mpanao politika ireny matoa mandany volabe miseho etsy sy eroa maneho ny heviny. Tsy maintsy misy ny ambadika. Miandry aloha ny tombontsoam-bahoaka ao anatin’izany.

Ny maika anefa dia ny mamaha ny olam-bahoaka aloha, ary tokony ho afaka hanao izany ireo mpanao politika rehetra mikirakira volabe laniana etsy sy eroa ireny, fa tsy mandany andro maneho hevitra eny amin’ny fahitalavitra sy haino aman-jery samihafa. Raha tena mijery ny tombontsoam-bahoaka tokoa izy ireny dia mikatsaka izay handaminan-tsaina ny vahoaka ao anatin’ireo olany maro atrehiny isan’andro. Tsy miandry fifidianana sy hofidiam-bahoaka vao hanao izany raha tena mpanao politika efa miova toe-tsaina fa tsy toy ny taloha nirefarefa nanapotika firenena. Azo tsarain’ny vahoaka avy hatrany ireo kandida sy mpanao politika ireo amin’izao fotoana izao ka ijereny hoe iza no tena ilay amboadia mitafy hodi-janak’ondry hamadika ny mpiray tanindrazana aminy sy tsy manan-tahotra hivarotra ny fireneny amin’ny vahiny hikatsahany ny tombontsoany manokana? Iza no hitondra azy ho amin’ny filaminan-tsainy sy fandriampahalemana hiainam-pinaritra eto amin’ity firenena ity?