ANY IANAO RY INGAHY RAJAO

ANY IANAO RY INGAHY RAJAO

Na hiala na hamahatra eo ihany ianao Rajao,
Na hosoloin’ilay akama dia Ingahy Rakotovao.
Ny teninay dia tsotra ihany, na ny lasa na ny tonga
Dia tsy mahafaly anay, tsy idobohanay amponga.

Na hiala na hamahatra eo ihany ianao Rajao,
Na mbola hamoron-teti-dratsy toy ilay mahazatra anao.
Tsarovy fa ‘reo olon-tsotra dia tsy ho azonao intsony,
F’efa nihodina  tanteraka na ny sainy na ny fony.

Ka na hisy fifidianana, na hahemotra indray,
Raha mbola ny alokao Rajao no mihelohelo sy hitanay.
Tsy hisy zava-banona eto, na dia hoe segondra iray,
Koa  mipetraha dia mifitsaha fa ampy, tena ampy izay.

Be ny vitanao tetoana, mety ny mandini-tena.
Ampy anao ny dimy taona nanimbàna firenena.
Aoka tsy hamerin-taona , ‘ndeha  miafina, misitrika.
Olo-marina no ilaina, sady hendry no mavitrika!

DADAN’i ZINA (07-09-18)