EDITO 4 Septambra – Tsy hisy intsony ny fitokanana hataon’i Mpampiesona amin’ity herinandro ity

3  andro sisa dia hiala amin’ny fitondràna ny filoha Hery Rajaonarimampianina izany hoe ny zoma ho avy izao.

Mandritra izany anefa ity filoha ity dia manao ny faraheriny amin’ny fampiasàna ny  fahefam-panjakàna hanasongadinana ireo lazainy fa zava-bitany. Amin’izao fotoana izao dia any Chine indray ny filoha Hery Rajaonarimampianina, mbola manao fifanaraham-piaraha-miasa amin’ireo mpandraharaha any an-toerana.

Mieritreritra ve  ity filoha ity amin’izany fa mbola hipetraka amin’io sezany io hatrany izy  ka hitohy ny asa maha filohampirenena azy? Raha ny eto an-tanindrazana indray dia mbola mampanantena ny vahoaka i Hery Rajaonarimampianina fa amin’io taona ho avy io dia ho vita ny asa ataontsika tsy vita amin’izao  sns….

Raha  ny angom-baovao azo dia ny 6 septambra ho avy izao vao hiverina eto Madagasikara   i Hery Rajaonarimampianina, ny 7 septambra anefa izy no tsy maintsy miala prezidà, any Chine izany ingahirainy no manao veloma ny Malagasy fa hiala amin’ny seza.

Tsy hisy intsony izany ny fitokanana zava-bita na fametrahana vato fehizoro amin’ity herinandro ity, hataon-dRampampiesona.