08:30 > Lalao Ravalomanana – Betsaka ny sakafo very sy ariana nefa maro ny tsy misakafo

CUA – ONN – FIOFANANA MOMBAN’NY FANJARIAN-TSAKAFO

Nomen-dry zareo avy ao amin’ny ONN (Office National de Nutrition) fampiofanana momba ny fanjarian-tsakafo ireo mpiasa avy ao amin’ny Departemanta misahana ny asa sosialy sy ireo « agents sociaux » izay mpiantsehatra eny anivon’ny vahoaka ifotony manerana ny Boriboritany enina amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), ny Alatsinainy 03 Septambra 2018, teny amin’ny BMH Isotry. Maro ny fampianarana izay azon’ireo mpiasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra nandritra izany fiofanana izany toy ny : fomba fitantanana, fikarakarana, fanajariana sy ny fomba fihinanana sakafo ara-pahasalamana tsy mila handaniana vola be.

Araka ny nambaran’ny Talen’ny Departemanta misahana ny asa sosialy avy eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Dr ANDRIANTSEHENO Prisca dia natao izao fiofanana izao mba ho fanatanterahana ny Vinan’ny ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana. Betsaka hoy izy ny sakafo very sy ariana fotsiny eto an-dRenivohitra kanefa dia maro ihany koa ireo olona tsy misakafo. Hisy araka izany ny fijerena manokana ireo fomba izay ahafahana hanodina ireo sakafo ireo mba ho lasa azo ampiasaina indray, ho an’ireo izay tsy ampy izany, tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasa tamin’ny ONN.

Ireto mpiasan’ny Kaominina vao avy nandray ny fiofanana ireto dia hidina ifotony indray hizara izany traikefany mahakasika ny fanjarian-tsakafo sy ny fomba fihinanana sakafo ara-dalàna izany, eny anivon’ny fiaraha-monina.

(CUA serasera)