Lasy pastoralin’ny FLM – Nangatsiatsiaka ny fandraisan’ireo pastora an’i Andry Rajoelina

Lezama

 Nahatsikaiky fa dia sesilany ireo kandida ho filoham-pirenena no nitsidika an’Antsirabe ny herinandro lasa teo, nandritra ilay lasy nasionalin’ny Pastora loterana tao Antsirabe.

Raha tsiahivina dia ambohim-pihaonan’ireo Pastora eo anivon’ny Finagonana Loterana Malagasy ny renivohitr’i Vakinankaratra satria Pastora manodidina ny 1.500 sy vehivavy teolojianina miisa 300 nanerana an’Madagasikara no nanao ilay Lasy Pastoraly, fanaon’izy ireo isaky ny 4 taona.

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy izany ny marainan’ny talata 14 aogositra lasa teo, tao amin’ny fiangonana Antampotanana ka ny Filohan’ny fiangonana loterana, ny Dr David RAKOTONIRINA, no nitarika ny fotoana.

Tonga nitafa tamin’ireo mpitondra fiangonana ireo ary nitonona sy fantatra fa kandidà azo lazaina ho goavana satria dia nasain’ireo tompon’andraikitra hiatrika izany ny sasany amin’izy ireo ka isan’ny efa tonga tao an-toerana ny Praiministra teo aloha,  Mahafaly Solonandrasana Olivier, sy ny Filoha Ravalomanana Marc ary ny filohan’ny H.A.T teo aloha, Andry Rajoelina, Max Fabien,  Arlette Ramarosaona, sy ireo maro hafa koa. Tao no nanolotra vola ho an’ireo mpizaika ka isan’izany indray Solonandrasana Olivier sy Andry Rajoelina, tao kosa no nitafa sy nampahafantatra ny momba azy fotsiny tamin’ireo mpizaika.

Fa ny isan’ny nahatsikaiky dia na dia isan’ireo olona nasaina aza ny filohan’ny tetezamita dia nihanahana sy nangaihay ny tenany raha vao tonga satria tsy mba nisy nandray tanana azy ireo Pastora loterana afa tsy ny nitarika azy ihany. Rehefa lasa ny tenany dia noesoin’ireo Pastora fotsiny hoe: “Ianao nandrava indray ve no hilaza fa hanarina ny firenena”. Asa aloha izay any an-dohan’ny Pastora tao ireo fa tsikaritra ho nangatsiatsiaka ny fandraisan’izy ireo azy na dia nitehaka ihany aza ny sasany.

Raha tsiahivina dia re fa isan’ny tsy zakan’ireo Pastora ny nakan’ny Tetezamita ireo fiara tsy mataho-dalana nomen’ny filoha Ravalomanana azy ireo fahiny, ho fampandehanana ny asa fitoriana tamin’izany.