Fihaonambe mpomban’i Marc Ravalomanana – Kianjabe Mahamasina – Sabotsy 25 aogositra

Vahoaka sy ny filoha Marc Ravalomanana – Sabotsy mifankahita, hangorom-potsy Mahamasina

Helisoa

Taorian’ny tany Toamasina  nanakatonana ny fankalazàna  ny faha15 taona ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), tany an-toerana ny faran’ny herinandro teo dia ho vory lanona ao amin’ny kianjaben’i Mahamasina indray ny sabotsy 25 aogositra ho avy izao manomboka amin’ny 10 ora  maraina ny vahoaka tsy ankanavaka mpomba an’i Dada. Fihaonambe hanamafisan’ny  filoha Marc Ravalomanana ny mahakandida filohampirenena  azy ny fotoana amin’io, ao anatin’ny famaranana ihany koa ny fankalazana ny faha-15 taonan’ny antoko TIM eto an-drenivohitra.

Ela no niandrasana izao fotoana  izao ny rehetra, tsy misy intsony ny sakana satria efa azo ny  fahazoandalana avy any  amin’ny prefektora sy ny kaominina Antananarivo renivohitra (CU).

Koa ho avy  hirodorodo ho eny amin’ny kianjaben’i Mahamasina  avokoa ny vahoaka tsy ankanavaka amin’io fotoana  io.

Hangorom-potsy tanteraka i Mahamasina amin’io fotoana io, koa dia sabotsy mifankahita e!

Kianjaben'Imahamasina ny sabotsy 25 AOGOSITRA ho avy izao , ampitampitao

Publiée par Arp Helisoa sur Lundi 20 août 2018