EDITO 21 aogositra – Irariana andeha antsakany sy andavany ny fikarakaràna ny fifidianana

Helisoa

Ho tapitra anio 21 aogositra ny daty farany hanateran’ireo hirotsaka ho kandida filohampirenena ny antontan-taratasy rehetra takian’ny  lalàna amin’ireto farany, eny amin’ny HCC.

Tena ho raikitra tokoa ve izy ity hoy ny fanontaniana mipetraka  satria mbola maro no miahiahy  amin’ny fikarakaràna io fifidianana io amin’izao fotoana  izao. Tena hangarahara sy handraisan’ny rehetra anjara ve ity fifidianana ho avy ity, ka tsy hampisy korontana eto amin’ny firenena?

Ny irarian’ny maro dia handeha antsakany sy andavany ny fikarakaràna rehetra satria kihon-dalana lehibe ho an’i Madagasikara io fifidianana ny 7 novambra ho avy izao io, taorian’ny fanonganam-panjakàna notarihan’i Andry Rajoelina,  nahapotika  ny firenena.

Filoha mahavaha olana eto amin’ny firenena izao no ilaina  satria efa tena latsaka an-katerena  ny firenena nandritra  ny 9 taona izao.

Dia ho hita eo ny ho tohiny satria efa mangetaheta ny tena fiovàna marina eto amin’ny firenena ankehitriny ny vahoaka  Malagasy. Entanina sahady ny rehetra hanefa ny adidiny amin’izany fifidianana ho avy izany, mba tsy hanenenana avy eo hoe: tahak’izay...