CRAM – Hiteraka olana ny fandatsahana ny anaran’ny mpifidy amin’ny lisi-pifidianana

Nangonin’Isambilo

Mitondra ny heviny momba ny fifidianana filoham-pirenena ho avy ny CRAM na ny Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar.

Mipetraka eo an-tsoroky ny Directeur Service Informatique (DSI) CENI ny ho avin’ny firenena mandritra ny fifidianana amin’ny 07 novambra 2018 hoy ny fanambarana. Manana andraikitra goavana izy satria raha sanatria ka miverina ny fomba fanao amin’ny fandatsahana ny anaran’ny mpifidy tsy mitovy hevitra amin’ny kandidàm-panjakana isam-pokontany na dia efa niverina nisoratra anarana tany amin’ny Biraom-pokontany aza ilay olom-pirenena vonona ny hifidy dia izay no hitarika ny olana goavana eto amin’ny firenena mandritra ny andron’ny 07 novambra 2018 sy aorian’ny fifidianana.

Ny vaha olana atolotry ny Cercle de Réfléxion pour l’Avenir de Madagascar (CRAM) mba hialana sy hisorohana ny korontana mialoha na aorian’ny fifidianana dia ireo solontenan’ny Kandidà tsirairay  (mandataire) hiara-miasa amin’ny CENI dia tokony hahazo ny « fichier de la liste électorale par bureau de vote » hahazoany manamarina raha ao anatin’ny lisi-pifidianana ny olony efa nisoratra anarana. Fantatra aorian’izany ny toerana sy ny tena isan’ny biraom-pifidianana marina manerana an’i Madagasikara. Ny kandidà sy ny Antoko politika manolotra kandidà dia tokony hanana outil de travail informatique – système d’information électorale en temps réel” izay hahazoany tsaramanaporofo ny fitantanana ara-bola na ny “gestion financière du parti (achat, comptabilité), logistique (équipements, déplacements, gestion des kits, gestion de personnel, staff, location hélicoptère,  mba hialana amin’ny filazana fa mampiasa vola maloto ilay kandidà. Manamarina ireo mpikambana amin’ny antokony eo anivon’ny fokontany sy ny Kaominina ary ny distrika. Mahafantatra ny mombamomban’ireo solontenan’ny kandidà (délégué) isaky ny birao fandatsaham-bato manerana an’i Madagasikara izay manodidina ny 2 500.Mandrindra ny fampielezan-kevitra ny fifidianana Filohan’ny Repoblika, Solombavam-bahoaka, Ben’ny Tanàna. Manangona ny vokatry ny fanisam-bato ara-potoana (en temps réel) isaky ny biraom-pifidianana ary mandefa izany mivantana any amin’ny Foibe toerany na QG isaky ny distrika amin’ny alalan’ny « sms par téléphone + sary ny PV nataon’ny solontenan’ilay kandidà sonia, izay tsy ahitana kosokosoka (rature) satria dia mitarika avy hatrany amin’ny “fanafoanana ny voka-pifidianana amin’ny birao fandatsaham-bato iray izany” araka ny nambaran’ny tompon’andraikitry ny CENI,  ho raisin’ny « serveur » izay mandeha amin’ny alalan’ny zanabolana any amin’ny “QG CENTRAL ANTANANARIVO”.