07:00 > Distrikan’i Mandoto – Miandry ny filoha Ravalomanana ny vahoaka sy ny tantsaha

Lezama

 « Miandry ny filoha Ravalomanana izahay, hanavotra ny firenena fa mafy ny manjo anay nohon’ny ataon’ny dahalo sy ny fahasahiranana amin’izao fotoana ». Io no ambetin-tenin’ireo tantsaha marobe avy ao amin’ny Distrikan’i Mandoto raha nihaona sy nitafa nivantana tamin’ireo iraky ny filoha Marc Ravalomanana ny alakamisy 09 Aogositra 2018 lasa teo, tao amin’ny kaominina Ankazomiriotra.

Nitarika ny delegasiona tamin’izany ny Senateran’i Madagasikara, Ramatoa Olga Ramalason sy ny Depioten’Antsirabe voalohany, Andriamatoa Jean François Michel. Tototry ny fitakiana sy fangatahana ireto tompon’andraikitra ambony ireto ary tsy nisalasala ireo vahoaka nilaza ny alahelony nohon’ny fahoriana manjo azy. Nambaran’ireo tantsaha fa ankehitriny dia tsy matory an-tanàna ny mponina fa mitsoaka any an-tsaha amin’ny alina fa matahotra dahalo. Zara raha misy ny omby hiasana fa tapitry ny dahalo satria dia mila ho isan’andro ny fanafihan-dahalo any an-toerana. Miteraka fahasahiranana amin’ny asa ihany koa anefa izany satria tsy misy omby hiasana sy hakana zezika intsony ny tantsaha.

Notsiahivin’ireo olona nandray fitenenana fa nandry ivohon’ny vato tanteraka izy ireo nandritra ny nitondran’ny filoha Ravalomanana ary tsy nandrenesana izany asan-dahalo izany tany an-toerana, saingy mitondra fahoriana tanteraka izy ireo ankehitriny satria na dia efa very omby aza dia mbola miantoka solika ho an’ny zandary indray raha vao miantso azy ireo.

Raha ho an’ny Distrikan’i Mandoto dia tapitra tamin’ny fialan’ny filoha Ravalomanana ihany koa ny fampandrosoana satria raha tsiahivina dia tamin’ny fotoana nitondrany no nanokafana ity distrika ity voalohany ary nisy ireo asa fampandrosoana efa natomboka tamin’izany, saingy nanjavona tanteraka izany tao anatin’izay 10 taona latsaka nisian’ny fanonganam-panjakana izay.

Isan’ny notsiahivin’ny olona tamin’izany ny fanohanana ara-jezika nomena ny tantsaha tamin’ny alalan’ny Tranoben’ny tantsaha, ny fanohanana feno ny fampianarana tamin’ny alalan’ireo “Kit Scolaire”, sy ny fizakana ireo saram-pisoratana anarana ho an’ny mpianatra.

Isan’ny nitondran’ireo vahoaka fanontaniana ihany koa ny tsaho aelin’ireo mpanao politika any ambanivohitra any fa tsy afaka mirotsaka izany intsony ny Dadanareo, ka nitondran’ireo manam-pahefana fanazavana fa amin’io herinandro miditra io no hametraka ny firotsahan-kofidiany ny filoha Ravalomanana ary notsiahivina fa izany no anton’ilay tolona ho an’ny fanovana nataon’ny solombavambahoaka tao Antananarivo, mba hisorohana izay paika maloton’ny sasany tsy hamela azy hilatsaka izay.

Nalai-nisaraka tanteraka ireo vahoaka sy olom-boafidiy ireo ary nampanantena ny mpitarika fa tsy maintsy hisy ny fihaonan’ny filoha Marc Ravalomanana amin’izy ireo, tsy ho ela satria samy liana ny andaniny sy ankilany.