Fampielezan-kevitra alohan’ny fotoana – Voasambotry ny polisy ireo mpametaka afisin-dRajoelina

Isambilo

Voasambotry ny polisy any Toamasina ny lehilahy 2 nanaparitaka sy nametaka ny afisin-dRajoelina manerana ireo vigie an’ny polisy sy toerana maro tany Toamasina ny alin’ny alarobia sy alakamisy teo. Fanaparitahana afisy izay ambaran’ny Tgv-Mapar fa mikendry disqualification na fanalana an-daharana ny kandidà Andry Rajoelina amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Na izany na tsy izany dia fampielezan-kevitra alohan’ny fotoana izao efa ataon-dRajoelina sy ny mpomba azy izao. Omaly zoma ihany dia niakatra fampanoavana ireto roalahy nampandikana lalàna ireto. Manodidina ny 30 000 Ar isak’alina ny karama raisin’izy roalahy, sarona izy ireo ary mbola teo am-pametehana afisy tao Anjoma izy ireo tamin’ny alina izao tratra izao ary misy ny planina ny isan’ny afisy isaky ny faritra ao Toamasina hanaparitahan’izy ireo izany.