11:00 > Toliara Sands – Mitroatra ny fokonolona

Nahazo roak’alika angamba no hilazana azy fa dia nafanafana ny fifanatrehana teo amin’ireo mpiasan’ny Toliara Sands sy ireo vahoaka tompon-tanindrazana teto Andranobe Toliara.

Nosakanan’ny fokonolona ny lalana ary noroahany hiala sy tsy hiverimberina eo intsony ireo mikasa hanimbazimba ny tanindrazany amin’ny fitrandrahana ity fasimainty ity.
Ahiana ny hisian’ny fifandonana mahatsiravina hoy ireo fokonolola raha sanatria ka minia hikitikitika ny tanindrazany ity orinasa mpanimba tontolo iainana ity.

Hita fa tena vonona ny hiaro ny taniny tokoa ireto fokonolona ka tena tsy hihemotra na hisy miaramila na tafondro hono ho tonga eto.

Masina ny tanindrazana.

(FB Ndao handalalina politika avo lenta)