EDITO – 11 Aogositra – Hira  “dia ilay fitia” – Nosimban-dRajoelina  toy ilay “iny lalana iny”

Helisoa

Lasa  anaovan’ny ekipan’ny TGV/MPAR  tarihin’ny mpanongam-panjakàna  Andry Rajoelina   propagandy mialohan’ny  fotoana  ilay hira ‘Dia  ilay  fitia’.

Maro ireo mpino  katolika  no  maneho ny hatezerana  vokatr’izany,   hiram-pivavahana  tsy tokony atao fitaovana politika  satria tsy voatery  ho  mpomba ny mpanongam-panjakàna  Andry Rajoelina  avokoa  ny mpino ao  amin’ny  EKAR.

Rehefa  mandeha any ampiangonana mantsy io hira io dia  ohatra ny fampielezan-kevitra ho an-dRajoelina ny ao antsain’ny mpino, ka amin’izay fotoana izay dia  lazaina fa mpomba ny mpanongam-panjakàna ny mpanao ny litorjia.

Tamin’ny fanonganam-panjakàna ny taona 2009 dia nisy ny hira noventesina “iny lalana iny” tamin’izany. Noho ny fahatezeran’ny olona  dia tsy heno tamin’ny onjampeo intsony iny hira iny, na  dia  maro mpankafy aza io hira io.

Nampalahelo fa  lasa ilay hira indray no analana ny hatezerana. Maninona moa i Andry Rajoelina hoy ireo mpino katolika tafaresaka tamin’ny gazety no tsy mamorona hira ho azy manokana  e?

Ny antoko politika matanjaka toy ny Tiako i Madagasikara (TIM) dia manana ny hira ahafantaran’ny maro azy, dia mba manaova koa toy izany fa tsy ny hiram-pivavahana no simbaina.