10:00 > Boeny – Hetsika ara-kolontsaina Sobahya

Tontosa tany Katsepy, distrikan’i Mitsinjo faritra Boeny ny 2 ka hatramin’ny 5 Aogositra 2018 teo, ny hetsika ara-kolontsaina sakalava Sobahya andiany faha-14.
Tsiahivina fa nanomboka ny taona 2003 no nanaovana voalohany azy ity. Ary ny atao hoe Sobahya dia karazana lamba miavaka, fisikin’ny manamboninahitra sakalava antalaotsy.
Ny lehiben’ny faritra Boeny, Saïd Ahamad Jaffar, izay zanaka sakalava avy amin’iny faritra iny no namelo-maso indray ity festival ity, rehefa somary natoritory izy tany aloha tany.
Niara-nifarimbona tamin’izany isan-taona ny Foibem-paritry ny Kolontsaina any Boeny sy ireo komity mpikarakara ary ireo mpiara-miombon’antoka. Nisolontena ny fanjakana tany an-toerana ny Préfet-n’i Mahajanga.
“Izay mahay mikajy tsy trobo haligno”. Io no lohahevitra nosafidiana tamin’ity andiany faha-14 ity. Izay midika hoe “Izay mahay mikajy dia tsy very tadidy”. Tanjona voalohan’ny hetsika, dia ny fanomezana hasina ny maha-malagasy antsika amin’ny alàlan’ny fanandratana ny vakoka sy kolontsaina maro samihafa. Faharoa dia ny hisian’ny fifanakalozana eo amin’ny foko sakalava maro samihafa ao anatin’ny faritra Boeny, hoy ny lehiben’ny faritra. Manan-danja tokoa hoy izy ny kolontsaina, indrindra eo amin’ny lafiny fampandrosoana satria io no hitarafan’ny taranaka faramandimby ny ezaka rehetra ho ataony aoriana.
Tranoheva maro no nampirantiana ny vokatra mampiavaka, ny fahaiza-mahandro manokana ary ny asa-tanana sakalava antalaotsy, narahina seho sy fampitaha dihy vakoka sakalava nandritra ny fankalazana ity Sobahya faha-14 ity. Tsy hadino ny hetsika ara-panatanjahantena sy ny course ganagana teny amin’ny ranomasina, izay kilalao mampiavaka ny hetsika Sobahya nandritra izay efatra ambin’ny folo taona izay.
Ankoatra izay, dia nampiavaka iry andiany faha-14 ity ny fitokanana ny tranombakoka nampitondraina ny anarana hoe Akiban’ny Antalaotsy sy Sakalava izay naorina eo an-tampon-tanànan’i Katsepy. Marihina fa efa an-taonany maro no nananganana azy ity sy nanangonana ireo vakoka rehetra handravaka azy, ka izao vao tanteraka araka ny tokony ho izy izany.
Teo ankilan’izay dia nisy ny asa sosialy ho an’ny mponina teny Katsepy tamin’ny alàlan’ny fitokanana ny trano vaovaon’ny mpitsabo izay miasa sy monina an-toerana, fiaraha-miasa amin’ny Rotary Club avy any Belgique.
Alim-pandihizana nafanain’i Jean Rigo no namaranana ny fankalazana ny festival Sobahya andiany faha-14.

Aly